Fihibohana « hono » no atao. Mahavariana anefa fa toa mitombo isa hatrany ireo olona mifanaretsaka etsy sy eroa, miampy ny fiverenan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Samy manana ny antony hivoahana ivelan’ny trano fonenany ny isam-batan’olona fa rehefa zohina dia ny fitadiavana mahazaka maniraka no antony iombonana. Noho ny famerana ny fotoam-piasana ateraky ny fanatanterahana ilay « fihibohana sadasada », maro amin’ireo orinasa no efa latsaka anaty fahasahiranana tanteraka koa tsy maintsy niroso tamin’ny fampiatoana ara-teknika ireo mpiasa.
Lasa takalonaina
Lasa takalonaina tsy fidiny ny sehatry ny toekarena sy ny asa fiharian’ny Malagasy. Toa fatiantoka aloha hatreto no azo tovozina amin’ny fanatanterahana ilay « Fihibohana sadasada » izay azo tarafina avy amin’ny fitomboan’isan’ireo mitondra ny covid- 19 eto amintsika sy ny fahapotehana miandalana mianjady amin’ireo orinasa. Ny fanjakana etsy ankilany toa tsy mahita vahaolana sy paikady matotra ahafahana miahy sy manampy azy ireo.
Maro amin’ny Malagasy no efa tsy misakafo in-telo isan’andro intsony ary tsy vitsy ihany koa ireo efa voaraoka tamin’ny trano fonenany fa tsy nahefa ny hofan-trano. Santionany ihany amin’ny vokadratsin’ny kenda roroka mahazo ny sehatry ny toekarena sy ny sehatrasa fihariana noho ilay « fihibohana sadasada » ihany ireo.
Mila manova famindra
Akoho tsy naneno ohatra izay hono lanin’ny kary, hoy ny ohapitenena malagasy. Mandia ny roa volana nampiharana ny fihibohana i Madagasikara. Tsy misy loatra ny vokatsoa azo tamin’izany. Mila henjanina, araka izany, ny fampiharana ny « tena fihibohana » mba hiteraka vokatra tsara amin’ny famehezana ny covid- 19. Ho sarotra anefa izany, hoy ny maro raha tsy hampiarahana amin’ny fitsinjovana ny lafiny sosialim-bahoaka toy ny fanatevenana ireo fanampiana. Hahavita hanatanteraka izany àry ve ny fanjakana sa mbola hinia mikipy hanohy ity « fihibohana sadasada » tsy mitera-bokatsoa ho an’ny rehetra ity ihany ?
Raha toa ka tsy hahefa izany Rafanja, dia aleo hiasa malalaka ny isam-batan’olona fa ny fepetra fisakanana ny fihanaky covid- 19 no mila hamafisina hatrany. Anisan’ireny ny fanaovana arovava, ny fanajana ny elanelana 01 metatra ary ny fampitomboana ny isan’ny fitiliana atao. Mila fandanjalanjana lalina anefa ny toe-draharaha misy ankehitriny koa tokony hisy ny fiaraha-midinika sy fifanakalozan-kevitra amin’ireo hery velona tsy ankanavaka eto amin’ny firenena.
