FIKAMBANANA “DOWN SYNDROME MADAGASCAR” : Hanatanteraka indray ny “Inclusion numérique”

Hanatanteraka ny hetsika “Inclusion numérique” na ny fampiofanana ireo ankizy “trisomie 21” amin’ny sehatra nomerika, ny “Down Syndrome Madagascar”, ny sabotsy 20 septambra 2025. Iarahan’ny fikambanana miasa amin’ny “Maison du Numérique” eny Ankorahotra sy ny “Fondation Yas”, ny hetsika. Fanomezana sady fampisitrahana ireo ankizy trisomika hisehatra misimisy kokoa eo amin’ny sehatry ny nomerika ity hetsika ity. Amin’izao vanim-potoanan’ny ankehitriny izao izay efa misokatra lehibe kokoa ny sehatry ny nomerika. Amin’ny mahaolombelona toy ny olombelona rehetra dia mendrika ny hisitraka izany sehatry ny nomerika izany ihany koa ny olona manana toetena trisomie. Mendrika azy ireo ny mahafantatra izany tontolon’ny nomerika izany. Antony nahatonga ny “Down Syndrome Madagascar” hitady fiaraha-miasa momba ny nomerika. Andiany faharoa ity hetsika ity raha tamin’ny volana jona 2025 ny nanatontosana ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany voalohany.

Ny “Down Syndrome Madagascar” na ny DSM dia fikambanana iray mikarakara sy mitaiza ireo ankizy mitondra toetena trisomie 21 eto Madagasikara. Ny Trisomie 21 dia tsy aretina na ihany koa hoe hadalana fa toetenan’olona iray ara-tsiantifika izy io. Izany hoe mihoatra iray amin’ny ara-dalàna ny isan’ny chromosome ao amin’ilay olona trisomie. Raha toa ka miisa 46 ny isan’ny chromosomes ao anatin’ny vatan’olombelona iray ara-dalàna dia lasa 47 ny an’ireo olona manana toetena trisomie. Ny ahitana an’ilay mihoatra fahatelo dia ny ao amin’ny fahairaika amby roapolon’ny toerana amin’ny chromosomes amin’ny olombelona. Izay no nahatonga ilay hoe: trisomie 21. Ny Tri dia telo, ny somie dia ilay chromosome ary ilay 21 dia ao amin’ilay toerana fahairaika amby roapolo ny toerany. Ny fikambanana “Down Syndrome Madagascar” dia efa niorina tamin’ny taona 2013. Misehatra amin’ny fanabeazana ireo ankizy sy ny fampiofanana ireo ray aman-dreny ary ihany koa fanentanana ireo manodidina indrindra fa ny fitondram-panjakana mba hahafantaran’ny olona fa olombelona toa antsika rehetra ny olona manana toetena trisomie. Manana zo feno tahaka ny olombelona rehetra ihany koa izy ireo, araka ny fanazavan’ny “CEO Fondatrice Down Syndrome Madagascar”, Razafinjatovo Daniela Laza.

Vous aimerez aussi