Hiavaka ny endriky ny hetsika hoentin’ny Fikambanana « Tsanta » na ny Tiako sy Andrianiko ny Teniko sy Taniko » ho famaranana ny taona 2024, hotanterahana, ny tolakandron’ny Alahady 22 desambra hoavy izao, etsy amin’ny efitrano malalaky ny Sekoly Rasalama Andravoahangy.
Antsa tononkalo « Torak’Antsa » horavahan’ny hatsikan’i Mba Faly sy Eveka Kiady. Hivazo sy haneho ny talentany amin’ny hira sy ny mozika ihany koa i Mamina sy i Avotra lemada no hoentin’ny « Tsanta » hanamarihana izany eny an-toerana. Ny fikambanana « Tsanta » izay miezaka hatrany ny hanabe voho ny tontolon’ny asa soratra eto Madagasikara amin’ny alalan’ny famelarana miandalana ny talenta ao anatin’ny tsirairay izay mankafy ny asa soratra. Omena sehatra anivon’ity Fikambanana ity ny « fifampizarana » mitarika ho any amin’ny fahombiazana. Manao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja mandrakariva amin’ireo Fikambanana misehatra amin’ny fanaparitahana ny asa soratra izay mitaiza fo, fanahy ary saina, araka izany, ny Fikambanana « Tsanta ». Azo inoana fa hiara-dalana anatin’ny « Torak’Antsa » ny mahasoa tovozina amin’ny asa soratr’ireo mpikambana sy ny mahafinaritra anatin’ny fihainoana ny talentan’i Mamina kanto gasy sy i Avotra lemada » Marihana fa « bôjy » na maimaimpoana ny fandraisana anjara hanjifa ny « Torak’Antsa », etsy amin’ny Kolejy Rasalama Andravoahangy ambony, ny tolakandron’ny Alahady 22 Desambra hoavy izao, hanomboka amin’ny roa ora sy sasany tolakandro.
