Tanjon’ireo Ben’ny tanàna mivondrona ao anatin’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny Nosy izay tarihin’ny filohany Ramparaoelina Rado, Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano, faritra Analamanga, ny hanala sahirana, ireo Ben’ny tanàna manoloana ny olana mianjady amin’izy ireo. Eo ihany koa ny hijerena ny tolo-tanana ho azy ireo raha sendra olana izy ireo. Ireo Ben’ny tanàna ireo izay tiam-bahoaka ka nosafidian’izy ireo tamin’ny alalan’ny fifidianana. Maro anefa ireo Ben’ny tanàna no tsy mahay mamaky teny sy manoratra kanefa ihany koa tsy misy ny sekoly natokana ho fianarana ho Ben’ny tanàna. Anton’izao nananganana ny fikambanana ivondronan’ny Ben’ny tanàna izao. Laharam-pahamehan’ny fikambanana ny fangatahana ny “Immunité” ho an’ireo Ben’ny tanàna manerana ny Nosy ireo mba hahafahan’izy ireo mitandrina ka tsy higadra raha misy ny tranga. Io “Immunité” io izay ilaina ihany koa eo amin’ny resaka tsenam-barom-panjakana mba tsy ho sendra olana izy ireo. Ny fiofanan’ny Ben’ny tanàna izay tsy misy afa-tsy 2 andro mahakasika izay mahaben’ny tanàna azy izay kanefa manam-pahaizana amam-pahalalana mahakasika izany tsenam-barom-panjakana izany no mifanatrika amin’ny Ben’ny tanàna raha sendra izay olana izay io. Tahaka ny atody miady amam-bato araka izany ny Ben’ny tanàna manoloana ny zava-misy, araka ny fanazavana voaray.


