Mpamily taksia maro mpikambana ao amin’ny FTAR no tsy nahazo fanampiasana ara-tsakafo. Niaka-peo noho izany ny filohan’ny Fikambanan’ny Taksia eto Antananarivo Renivohitra na FTAR, ramatoa Clémence Raharinirina, fa tsy mazava ny anaran’ireo mpamily taksia tokony hisitraka ny fanampiana avy amin’ny filohampirenena. Araka ny nambarany mantsy dia misy ny maka ny anaran’ireo mpamily taksia eny amin’ny Boriboritany, misy maka izany koa eny anivon’ny fokontany, eo ny eny amin’ny kaominina. Nikorontana tanteraka ny fizarana ny fanampiana tokony ho raisin’ireo mpamily taksia ireo. Efa nilaza ny filohampirenena fa manana ny fikambanany izy ireny, ka ny fikambanana no tokony handamina sy hizara ny fanampiana. Nidiran’ireto sampan-draharaha hafa anefa ilay fitsainjara ho an’ny taksia, ka niteraka savorovoro. Nambaran’ny filohan’ny FTAR, fa efa manana ny lisitr’ireo mpamily taksia izy ireo ary efa nalefa tany amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Ity farany indray no nandefa ny lisitra tany amin’ny kaominina. Teo no nisian’ny korontana, satria tsy mazava ny lisitra voaray. Lasa ny fikambanan’ny VTM (ndlr : mpikarakara laterna lehibe) indray, hoy ny filohan’ny FTAR no lasa nikarakara ny lisitry ny anaran’ny mpamily taksia tokony hahazo fanampiana, nefa “ adversaire” na mpifanandrina ny FTAR ny VTM. Ampidirina resaka politika ve ity fizarana ity, sa fampidirana “fourrière” indray, sa ny FTAR mihitsy no tsy tiana sy ailika?, hoy ny FTAR niaka-pofona. Samy manana ny tohanany mantsy ny VTM sy ny FTAR, hoy hatrany ny filohany. Nambaran’ity farany, fa tokony nozaraina isaky ny fiantsonana taksia na “par stationnement” io fanampiana io dia tsy nisy korontana tahaka izao. Nanipy ny tsy fahaiza-mitantana any amin’ny FTAR indray mantsy ny kaominina, raha ny siosion-dresaka mandeha, hoy ny filohan’ny FTAR.
