Anisan’ireo mandray anjara amin’ilay “Salon de l’Etudiant et de l’emploi” izay tanterahana eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny 26 ka hatramin’ny 28 aogositra 2025, ny Sekoly Ambony tsy miankina mampiofana ho Tantsambo “Cefomar”. Ny fiofanana ho Tantsambo izay mbola tsy mahaliana loatra ny Malagasy ankehitriny raha oharina amin’ny any ivelany. Antony dia noho izy ity tena ilaina fianarana maro isan-karazany raha te ho eo amin’io sehatra izay ilaina olona matihanina amin’ny fitondrana sambo io. Ny diplaomam-panjakana BEPC anefa no ilaina raha te hisehatra eo amin’izay fitondrana sambo izay ankoatran’ny fahafehezana tenim-pirenena vahiny maro. Afaka manao tantsambo avokoa ny rehetra rehefa mahafeno fepetra. Manome tantsoroka amin’izany fiofanana ho Tantsambo rahateo ny “Cefomar”, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Vondrona “Ismatec- Cefomar”, Rafenomanantsoa Cibelle.
