FITAIZANA NY OLOM-PIRENENA : Maninona ny olona ankehitriny no sarotra atoro, sarotra tenenina ary mora tohina ?

Antony maro no mahatonga izany, hoy ny mpampianatra sady mpanabe iray. Eo ny fahasarotan’ny fiainana amin’ny ankapobeny mihitsy. Eo amin’ny lafiny ara-piaraha-monina, dia tsy misy ny fandriampahalemana, tsy mifampahatoky koa ny olona ary samy maka ho azy ny mpiaraha-monina. Tsy mahatoky ny fitondrana izay noheverina fa raiamandreny mpiaro ny olona. Eo amin’ny ara-pihariana (ndlr: ara-ekonomika), tsy fananan’asa, dia lasa manao ny tsy fanao ny olona. Ny fisondrotan’ny vidim-piainana manginy fotsiny. Sahirana koa ny olona manana anton’asa, satria ny vola raisina isam-bolana tsy mitombo, kanefa ny vidim-piainana tsy mitsahatra miakatra isan’andro. Eo koa ny tsy fahatokisana ny fitondrana, satria izay tonga eo dia tsy mba nisy nijery ny sosialim-bahoaka sy ny fiainan’ny vahoaka, fa vao maika aza nihalafo ny zavatra ilaina andavanandro. Fa ireo mpitondra no lasa manankarena rehefa nahazo seza. Ny manam-pahaizana manao asa tsy mifanaraka ny lalam-piofanana nataony sy ny diplaoma ananany ary ny karama tsy mifanentana amin’izany, sns… Vokany, tsy mahatoky ny fitondrana intsony ny vahoaka, ka na inona na inona teneniny dia toa tsy mihaino sy tsy manaraka izany intsony ny vahoaka, fa variana mitady ny hohanina sy hivelomana. Porofon’izany, ireny nasehon’ny vahoaka tamin’ny fifidianana nisesy teto ireny, ny tahan’ny mpifidy nihena, sns. Mora tohina koa ny olona, satria, rera-tsaina amin’ny fiainana ary ahoana no mety hiafarany? Variana mitady vola dia tsy miraharaha izay fanentanana ataon’ny mpitondra any, miasa na andro fety aza.

Soso-kevitra sy vahoalana naroson’ity mpanabe ity dia tsy misy afa-tsy ny fijerena ny ara-tsosialy sy ny ara-pihariana ny vahoaka ihany. Fanamorana ny vidim-piainana. Famoronana asa sy fanohanana ireo manam-pahaizana manana tetik’asa fampandrosoana. Fanavaozana ny rafitra amin’ny ankapobeny n’iza n’iza mitondra eo raha te-hanao zavatra fampandrosoana sy hihainoan’ny vahoaka azy.

Vous aimerez aussi