Mizotra malaky mihazo ny fampiharana ny didy jadona ny Mpitondra ankehitriny raha ireo tranga nisy tetsy sy teroa no dinihana. Tsy afaka hihaino intsony ireo manana fomba fijery hafa ankoatra azy ireo ny Mpitondra tompon’ny fahefana izay nampindramin’ny Vahoaka azy ireo. Vokany, tsy misy afa tsy fampiasan-kery hatrany no mitsena ireo mikasa mba haneho ny heviny manoloana ny Raharaham-pirenena ankehitriny.
Tsy isalasalana anefa fa tsy hitondra vokatsoa ho an’ny firenena ny fiifandonana fa vao mainka aza mampiditra antsika mianakavy ho any amin’ny fahantrana lalina. Tsy iadian-kevitra tokoa mantsy fa misy amin’ireo Mpitondra fanjakana ankehitriny no mihevitra fa fananany mnokana i MADAGASIKARA koa izay rehetra maneho hevitra mifanohitra amin’ny azy ireo dia raisina ho fahavalo avokoa koa ampiasana herim-pamoretana. Tsy ny fampiasana hery no vahaolana amin’izao fahantrana manara-penitra iainan’ny Malagasy maroanisa izao fa ny firosoana amin’ny fifampidinihana hahafahana mitondra ny tena fampandrosoana izay mamaly ny filan’ny Vahoaka Malagssy fa tsy mijanona hatrany amin’ny fanomezana fahafaham-po ny filana manokan’ireo Mpitondra hatrany. Miha lavitraxantsika hatrany ny “Demokrasia” fa mahazo vahana sqika isanandro vaky izao ny fampiharana ny didy jadona sy ny fanamparam-pahefana amin’ny endrny marolafy. Tsy manan-jo hiaro ny taniny sy ny Harena ao aminy intsony ny Malagasy, tsy manana fahefana hitsabo tena noho ny fahantrana ary ny Zaza Malagasy ihany koa aza tsy afaka ny hiditra an- tsekoly intsony.
Raha fintinina, toa hita taratra tato ho ato fa misoko mangina ny fametrahana ilay ” Endrim- panjanahana vaovao” Mila kopahana ny Afon’ny fitiavan-tanindrazana ao amintsika Malagasy tsirairay avy. Raha tanteraka izany dia hiadana sy ho finaritra tokoa ny Malagasy masi-mandidy amin’ny Tany nomen-janahary azy.


