Tamin-kafaliana no nandaozan’ny Papa Fransoa an’i Madagasikara androany maraina. Ny fiaramanidina Airbus -340 an’ny kaompania Air Madagascar no nitondra azy sy ireo delegasiona miara-dia aminy ary koa ireo mpanao gazety vahiny nampita ny vaovao tamin’izao diany izao.
Tamin’ny 9 ora sy sasany katroka no niainga teny Ivato ity fiaramanidina ity, ka hihazo an’i Roma.
Naneho fisaorana ny vahoaka
Mialoha izany dia mbola naneho ny fisaorana azy ireo vahoaka nanemitra ny làlany nizorany. Hatreo Ivandry ka hatrany Ivato, rehefa nandalo an’Alarobia sy Tsarasaotra iny. Vao maraina dia maro ireo olona niandry ny fandalovany ka nanao ny ofaofa tanana ho mariky ny fanaovam-beloma.
Tsy tahaka ny fitsenana tamin’ny fahatongavany fa afaka nitondra ny fiarany ny olona tamin’ity maraina ity ka azo lazaina ho tonga maro.
Vory lanona ihany koa, teny an-tseranana, ireo mpilatsaka an-tsitrapo izay naneho ny fankasitrahana ity vahiny manan-kaja ity.
Teny Ivato
Ankoatra ny Nonce apostolika sy ireo mpikambana avy amin’ny fivondronan’ny Eveka, izay notarihan’ny Kardinaly Tsarahazana dia tonga teny nanatitra ny Papa ihany koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady notronin’ny Praiminisitra sy mpikambana vitsivitsy avy ao amin’ny governemanta. Teny ihany koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona sy ny Filohan’ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy, izay nameno ny fomba fanajana sy voninahitra ny vahiny.
Naneho fisaorana
Taorian’ny fiaingan’ny Papa dia mbola nisy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, izay nanehoan’ny fivondronan’ny Eveka fisaorana ireo rehetra nanampy sy nahatontosa ireo fotoana rehetra nandraisana ny Papa Fransoa iny.
Nandritra izany no nanomezan’ny Kardinaly Tsarahazana tsodrano ho an’ny rehetra tsy an-kanavaka.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

