Tetibola mitentina 1 miliara Ariary no homena ny Faritra isan’isany. Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina izany, nandritra ny fitsidihana nataony tany amin’iny Faritra Matsiatra Ambony iny.
Ankoatra izany tetibola hiaingana izany dia voalaza fa hatolotra ny Faritra ihany koa ny fitaovana ho amin’ny fampandrosoana. Anisan’izany ireo fitaovam-baventy fanamboarana ny làlana ka ho sahanin’ny Faritra ny fanamboarana ny làlana mampitohy ny kaominina rehetra. Andraikitry ny ministera foibe kosa ny làlam-pirenena.
Tetibola
Aorian’izao tetibola fiaingana izao dia hamaritra ny tetibolany ny filankevitry ny Faritra amin’ny taona ho avy, satria izy no tena mahalala izay fampandrosoana eny ifotony.
Koa hanana andraikitra mazava sy tetibola voafaritra tsara ary fitaovana ireo Governora ireo, ahazoany manatanteraka ny tetikasa, toy ny tsena, làlana, foto-drafitrasa samihafa,…
Hisy ihany koa ny fifaninanana ary arahi-maso ny asan’ireo Governoram-paritra mba ahazoam-bokatra tsaratsara kokoa ho tena fampandrosoana sy hitondra ny hetahetam-bahoaka.
Isaky ny iray volana sy tapany dia hisy ny filankevitry ny Governora, miaraka amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ary ny minisitra vitsivitsy, ahazoana mandray ny hetahetan’ny mponina.
Hoesorina ny Governora tsy mahavita azy
Araka izany dia omena sehatra bebe kokoa ny Faritra ka izany no iantsoana ireo mpitantana azy ho Governoran’ny Faritra fa tsy Lehiben’ny Faritra intsony.
Koa vahaolana ho fampandrosoana an’i Madagasikara ny fanendrena ireo Governora ireo.
Tsy hisy ny fitongilanana ary tsy hisy ny distrika tratra aoriana fa miara-miainga mba hanatratra ny fahataran’i Madagasikara tao anatin’izay 50 taona mahery izay no tanjona.
Nomarihin’ny Filoha, araka izany, fa izay Governora tsy mahavita azy ao anatin’ny herintaona dia hoesorina.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.