Nofoanana avokoa ireo hetsika ara-panatanjahatena eto amintsika noho ny hamehana ara-pahasalamana. Vokany, tsy misy mividy ireo fitaovana sy kojakoja fanaovana fanatanjahatena. Tsy afaka mampihatra ny fanaovana fihenam-bidy anefa ireo mpivarotra noho ireo entana misy masonkarena. Manoloana izany, manao antso vonjy ho an’ny fanjakana ihany koa ireto farany ny amin’ny hanampiana azy ireo.
Tsy misy vahaolana ?
Samy mizaka ny olana ateraky ny mbola tsy fahafehezana ny fihanaky ny covid- 19 ny sehatrasa rehetra eto Madagasikara ankehitriny. Manolona izany anefa, toa minia mikipy ny fanjakana. Tsy hita taratra mazava izay paikady matotra hoentiny miatrika ny vokadratsin’ny fihitaran’ny fotoan’ny hamehana ara-pahasalamana ho an’ireo mponina sy ny mpandraharaha ara-toekarena toy ireo mpivarotra kojakoja ara-panatanjahatena izay toa efa tapi-dalan-kaleha tanteraka ankehitriny.
Raha mitohy ny tahaka izao, tsy ny valanaretina coronavirus ihany no ahiana handripaka aina maro fa eo ihany koa ny fahantrana miha lalim-paka ateraky ny fahaverezan’asa vokatry ny fahapotehan’ny toekarena amin’ny ankapobeny mihitsy.
