FIVAROTANA OLONA : Sinoa 6 no voatana

Teratany sinoa 6 no voasambotry ny polisy avy amin’ny « Service central des enquêtes spécialisées », teny Ivato, noho ny fikasana hanondrana olona any ivelany.

Ny volana desambra  lasa iny no efa nisy nahatsikaritra ny  fihetsik’ireto sinoa ireto, ka nanaovana fanaraha-maso akaiky.

Hampanambadiana sinoa

Ny hany vehivavy amin’ireo sinoa ireo no nampitady vehivavy malagasy maromaro mba hampanambadiana sinoa any ivelany.

Nandritra ny fanadihadiana no fantatra fa efa nisy lehilahy sinoa maromaro ihany koa no nafaran’ity vehivavy ity, izay napetrany tao amin’ny hotely iray ao Ivato ao. Ary vehivavy malagasy miisa 20 no efa mifamezivezy sy mifanerasera amin’izy ireo tao.

Ny 3 tamin’ireo sinoa lahy ireo no efa nahazo vady gasy ary efa voasoratra ara-panjakana, ny desambra lasa teo ihany.

20 tapitrisa ar no vidiny

Ny zomà 4 janoary teo anefa no nanao fisavana tao amin’ny trano nisy azy ireo ny polisy. Koa sinoa lahy 6 sy vehivavy gasy 4 no tra-tehaka tao. Ny telo tamin’ireo sinoa ireo dia efa nahazo vady gasy avokoa ary ny telo hafa kosa dia vao hitadiavana.

Ny paik’ady dia tsotra : hampanambadiana sinoa eto aloha ireo vehivavy gasy ireo mba hahamora ny fialany eto sy hidirany any Chine. Rehefa tonga any anefa  ireo vehivavy ireo dia zavatra hafa mihitsy no miandry azy any.

Fantatra moa fa ilay vehivavy sinoa no tena ati-doha sy tompon’antoka amin’izao raharaha fikasana hanondrana olona izao.

Nandritra ny  fanadihadiana ihany koa no fantatra fa  vola mihoatra ny 20 tapitrisa ar no tambiny azo avy amin’ny vehivavy iray.

Efa nikasa ny hiainga ho any Chine moa izy ireo no izao tratra izao.

Vous aimerez aussi