Ny fivoriana ara-potoana fahaefatry ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna an-tanàn-dehibe eto Madagasikara no notontosaina teny amin’ny Lapan’ny tanànan’ Analakely, ny alakamisy 8 may 2025 sy ny zoma 9 may 2025. Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no nandray an-tanana izany. Fivoriana ara-potoana izay nifototra tamin’ny fomba rehetra hahafahana mampandroso ny eny ifotony. Tanjona ny hampandrosoana ireo faritra manerana ny Nosy. Antony namolavolan’ny fikambanana atrikasa mba ho entina hifampiresahan’ireo mpikambana amin’ny fitondram-panjakana foibe. Ny hifampizara traikefa sy fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fampiharana izany eny ifotony no vina apetraky ny fikambanana. Ireo tanàn-dehibe rehetra eto amintsika araka izany dia heverina fa tokony hamiratra sy ho fitaratra avokoa fa tsy ny eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra irery ihany. Andraikitra maro araka izany no miandry ireo ben’ny tanàna noho izy ireo manakaiky ny mponina iadidiany. Ireo mpikambana miisa 15 amin’ireo faritra miisa 16 no tonga nanatrika ity fivoriana ara-potoana fahaefatry ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna an-tanàn-dehibe eto Madagasikara ity, nandritra ireo roa andro ireo. Ny taona 2016 no najoro ny fikambanan’ny ben’ny tanàna an-tanàn-dehibe, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana sady ben’ny tanànan’Antsirabe, Rasamimanana Honoré Gabriel.
