« An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra ao aminy… ! ». Izany teny avy amin’ny Mpanao Salamo izany no nentina nanompanana ny fambolen-kazo notanterahin’ny Fiangonana FJKM Ambohitantely teny Ampangabe, ny sabotsy lasa teo.
Nitondran’ny Mpitandrina Maholy Rakotonavalona fampianarana tamin’izany fa tsy ny olona ihany no nataon’Andriamanitra fa ny zava-boahary rehetra. Noho izany, izay rehetra eto amin’ny tany dia tokony hiderana Azy.
Fiderana an’Andriamanitra koa, noho izany, ny fikarakarana sy ny fikolokoloana ny tany, ka anisan’izany indrindra ny fambolen-kazo, izay tsy famelana ny tany ho ngazana.
Zava-dehibe, araka izany, ny fikojana ny tany, amin’ny alalan’ny fiarovana azy amin’ny fambolena. Mila tontolo maitso sy mahafinaritra ny zanak’olombelona, satria isika no nataon’Andriamanitra ho Mpanjakan’ny zava-boahary.
Andraikitry ny kristiana ny manao ny asa fikajiana ny tontolo iainana satria olony isika.
« Ary mihatra amin’ny taranaka faramandimby ny fahamarinany ».
Fankalazana an’Andriamanitra tanteraka ny fikarakarana ny tany amin’ny fambolen-kazo satria ny taranaka no handova izany.

Zanakazo 2.020
Marihina moa fa zanakazo miisa 2020 no nifandrombonan’ny mpianakavin’ny Fiangonana Ambohitantely nambolena tamin’ity indray mitoraka ity. Velaran-tany 7 Ha kosa no nanatanterahana izany.
Tsy mijanona hatreo anefa ny asa fa misy ny fanaraha-maso hatao amin’ireo zava-boahary voavoly ireo.
Zava-dehibe ihany koa ny mitondra am-bavaka izany satria Andriamanitra ihany no mampisy ny vokatra, araka ny I Kor 3 : 6 hoe : « Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo ».

