FOARA IRAISAM-PIRENENA ETO MADAGASIKARA : Hivelatra kokoa amin’ny tsenambarotra Afrikanina

Fisokafana amin’ny tsenambarotran’ny Kaontinanta Afrikanina no fiaraha-miasa vaovao apetrakin’ny tompon’andraikitra mpikarakara ny Foara Iraisam-pirenena eto Madagasikara na ny “FIM”, “MadaVision”, amin’ity taona ity. Anton’ilay lohahevitr’ity hetsika ara-toe-karena ity, manao hoe: “Madagasikara, tetezana mihazo an’i Afrika”. Izany hoe: izay fomba rehetra hahafahana manatratra io tanjona hisarihana ny mpandraharaha Afrikanina io ho tonga eto Madagasikara no vina.

Ankoatra izay anefa dia ny hampivelarana ny fandraharahan’ireo mpandray anjara maherin’ny 260 isa izay mampiranty eny amin’ny “FIM” no himasoan’ ny tompon’andraikitra mpikarakara. Ny Malagasy izay manam-piniavana sy paikady hampivelarana ny ara-toe-karenany. Fampiofanana mahakasika ny “Spped networking” sy ny fanitaranan ny fahaiza-manaon’ny mpandraharaha rahateo no hiompanan’ny “FIM 2025”. Hisy ny fifanakalozana sy ny fifaneraseran’ny samy mpandraharaha mba araka izany mba hahafahan’izy ireo manamafy ny traikefany mba ho entina manatanteraka ny fanambin’ny vinam-pampandrosoana ny toekarena malagasy. Tratra amin’ny 80 isan-jato ny tanjona raha ny hahatongavan’ireo mpandraharaha hafa eto Madagasikara no hamenoana ny 20 isan-jato ambiny. Ny “FIM” izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy 22 may dia hifarana ny alahady 25 may 2025, eny amin’ny CCI Ivato.

Ity hetsika ara-toe-karena ity dia entin’ireo mpandraharaha sy Vondrona ary fikambanana misahana ny fampiroboroboana ny ara-barotra hanehoana ny tanjaky ny seha-pihariana malagasy. Ireo mpandraharaha avy amin’ny Nosy rahavavy no betsaka nandray anjara tamin’ity “FIM” ity na maro aza ireo Afrikanina te handray anjara. Noho ny fahalavirana sy ny fahalafosan’ny vidin’ny tapakila no antony tsy nahafahan’izy ireo nandray anjara. Teo ihany koa ny sakana ho azy ireo noho ilay fotoana fohy loatra nanomanana ny hetsika, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara avy ao amin’ny orinasa “MadaVision”, Ramanantsoa Tahiry.

Vous aimerez aussi