Etsy amin’ny Lycée privé Daniel, Andravoahangy ambony no misy ny ivon-toerana fampianarana sy fikarohana momba ny hira sy ny zavamaneno malagasy, “Valiha académie”. Hivelatra amin’ny fampianarana ireo velombaliha tranainy indrindra izy ireo…
Marihana fa miainga hatrany amin’ny fampiasana ny “Sorampeo” (Solfège) ny fampianarana valiha, eo anivon’ny foibe “Valiha académie”. Antony, hoy ireo mpanabe, ny hanehoana amin’ny maneran-tany fa mahafeno tanteraka ny fenitry ny mozika ny zavamaneno nentim-paharazana malagasy toy ny valiha. Ankoatra ny fanolorana ny fampianarana ny fomba fitendrena ny valiha, omena ireo mpianatra ao amin’ity foibe ity ihany koa ny tsara ho fantatra manodidina ny tantaran’ny valiha, ny fahendrena tarafina avy aminy.
Ankehitriny, miroso amin’ny fampianarana ny velom-baliha tranainy indrindra fampiasa teto an-kibon’Imerina ny « Valiha académie ». Velombaliha miisa telo, ahitana ny « lalandava », « maty 09 » ary ny « maty 05 » izy ireo. « Anisan’ny antony nahatonga anay hanao izany ny fahitana fa tsy hita intsony ny velombaliha roa « maty dimy » sy ny « maty sivy » kanefa ireo no anisan’ny tranainy indrindra », hoy ny tomponandraikitry ny fampianarana eo anivon’ity sehatra fampianarana sy fikarohana momba ny hira sy ny zavamaneno malagasy ity.
Ny velombaliha « lalandava » hatrany no fomba enti-mampianatra ny valiha eny anivon’ireo sekoly hafa mampianatra ity zavamaneno netim-paharazana malagasy ity hatramin’izay. Raha ny fanazavan’ity tomponandraikitra ity hatrany, misy ifandraisany lehibe amin’ny fomba nandrindran’ny Ntaolo malagasy ny fiarahamonina sy ny paikady nentiny miatrika ny onjam-piainana ny velombaliha ka tokony ho voafehin’ny taranaka ankehitriny.
Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana fa tany amin’ny taona 1996 no efa nampianatra valiha « lalandava » ny fikambanana Zanabaliha, teny Itaosy, loharano nipoiran’ny foibe fampianarana sy fikarohana momba ny hira sy ny zavameno malagasy « Valiha académie » izay mijoro etsy Andravoahangy ambony ankehitriny.
