EPP fahaenina naorin’ny kaominina Ampitatafika no fotodrafitrasa vaovao notokanan’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, Andriamananoro Augustin, izay ray mpiahy izany, ny alatsinainy 28 aprily 2025.
Ankoatra azy ireo dia tonga nanotrona teny an-toerana ihany koa ny solon-tenan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN) ary ny avy ao amin’ny Distrikan’Atsimondrano. Ity EPP ity izay fanampiny (Annexe) ho an’ny fokontanin’Ambohibary, eny amin’ny Fari-piadidianan’Antananarivo Atsimondrano, ZAP Ampitatafika. Ahitana efitrano miisa telo izay misy dabilio avokoa ity tranon-tsekoly maoderina ity. Natsangana ny fotodrafitrasa mba hahafahan’ireo ankizy mpianatra mandranto fahaizana amam-pahalalana kanefa mba tsy hisy ny ambana hahazo azy ireo. Efa tranainy ka simba avokoa ireo efitrano izay ananan’ity EPP ity. Vonona ny hikolokolo sy hikajy ny fotodrafitrasa ny tompon’andraikitry ny sekoly sy ireo ankizy mpianatra izay hisitraka izany.
Antoky ny ho avy sy ny ampitso sady lova tsara indrindra ny fianarana ka izany no antony hanomezan-danja azy. Hanala fahasahiranana ho an’ireo ray aman-dreny sy hanala vesatra ho an’ireo ankizy mpianatra mandeha tongotra lavitra nefa te hianatra ity fotodrafitrasa vaovao ity. Ny kaominina Ampitatafika izay tsy mitsahatra ny mikaroka ny hahasoa ny mponina ao aminy, araka ny fanazavan’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado. Niara-nitokana ity EPP fanampiny eny amin’ny fokontany Ambohibary ao amin’ny kaominina Ampitatafika ity, ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado sy ireo nanolo-tanana tamin’ny fanorenana ny fotodrafitrasa dia ny fianakaviana Mc Carthy. Teo ihany koa ny “Adsum Foundation” izay niara-niasa tamin’ny fikambanana “Madagascar Development Fund” na ny (MDF). Ny fanorenana fotodrafitrasa tahaka izao izay tafiditra tanteraka tao anatin’ny fampanantenan’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado.
