Fianakaviana maro avy amin’ireo trano miisa 24 tafo eny amin’ny fokontany Ambohidahy-Ankadidramamy no tsy manan-kialofana nanomboka ny alakamisy 10 jolay 2025. Antony dia noho ny nandravan’ny olon-tsotra sy ny mpitandro filaminana ny trano fonenan’izy ireo, ny marainan’io alakamisy 10 jolay 2025, tokony tamin’ny 4 ora.
« Tsy fantatray ny antony nandravana ny tranonay. Tsy nisy ihany koa ny fampilazana mialoha fa avy hatrany dia noravana tsotra izao ny trano fonenanay, hoy ireto niharan’ny fandravana trano ireto. Tsy afaka nanao na inona izahay nanoloana ny zava-nisy satria dia olon-tsotra niaraka tamin’ny mpitandro filaminana no tonga nanaisotra anay teto amin’ny trano ipetrahanay efa ho 32 taona izao », hoy hatrany fanazavana. « Nividy tamin’ny tompon-tany izahay tamin’izany fotoana izany. Aty aoriana anefa dia izao iharan’ny antsojay izao satria dia misy ny milaza fa ho tompon’ny tany. Manilika anay tsotra izao eto amin’ny trano fonenanay izy ireo no sady mikasi-tanana ary mandrahona mihitsy. Nisy noho izany ny naratra ary tsy manan-kialofana izahay. »
Manoloana ny zava-misy dia manao antso avo amin’ny Solombavam-bahoaka voafidy teny amin’ny Boriboritany fahadimy sy ny filoham-pirenena ireto mponina niharan’ny antsojay ireto mba hijery akaiky azy ireo. Izy ireo no tompon’andraikitra azo itarainana, hoy hatrany ireto fianakaviana ireto, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.
