Ankoatry ny maha mpanakanto mpihira sy mpamorona an’I Frère Jean de la Croix de la Trinite Rafanomezantsoa “Frère Jean” dia manan-talenta sy fahaizana amin’ny fanoratana boky ihany koa ny lehilahy. Niroso amin’ny sehatry ny fihirana aho, hoy izy noho ny fahatsapako fa mora kokoa ny mampita ny hafatra amin’ny alalan’ny hira izay tsapa fa toy ny “Sakaiza” akaikin’ireo tanora tokoa ankehitriny.
Ny fivoizana hatrany ny maha zava-dehibe ny fitiavana sy ny halemem-panahy lavitry ny herisetra (Fihavanana sy fifanampiana) amin’ny lafim-piainana rehetra no avoitran’ny Frere Jean anatin’ireo sanganasany. Nambarany fa antoka iray lehibe hampisy ny rindram-piaraha-monina hitarika ho any amin’ny fampandrosoana ny fampanjakana ny fitiavana sy ny fihavanana ary ny halemem-panahy. Tsy nihambahamba ihany koa I Frère Jean nanambara fa Mpanabe ny mpanakanto koa tokony ho mendrika amin’ny lafiny fitondran-tena ary miezaka ny hampita hafatra mafonja sy misy vontoatiny ho an’ny isam-baravarana. Gadona milamina sy mihetsika. Ireo no andrindran’ny Frère Jean ireo hira nojariany. Ireo tranga eny anivom-piaraha-monina no akora fototra entin’ity Relijiozy manan-talenta ity manefy ny taokanto an-kira jariany mba hitondra fanabeazana feno ho an’ny isam-batan’olona. Naneho ny fahavonany hiroso lalina hatrany amin’ny famolahana ny hira sy ny mozika ho fitaovam-panabeazana mahomby hamolavolana “Olom-banona” I Frère Jean. Hitohy hatrany ihany koa ny famoahana boky ho fanovozam-pahendrena ombam-pahalalana mifototra amin’ny finoana an’Andriamanitra sy I Jesoa Kristy zanany lahitokana.
