GROUPE SALVE : Manabe voho ny finoana Katolika amin’ny mozika

Ny Alahady 22 Oktobra taona 2017 no nitsiry tao an-tsain’ireo tanora maromaro nonina tao amin’ny faritra Masindahy Eli Malaza izay mandrafitra ny Paroasy Masindahy Piera Malaza Andoharanofotsy Renivohitry ny Distrika ny hanana tarika. Teraka teo ny Groupe Salve. « SALVE » voambolana latina adika tsotra amin’ny hoe : « Famonjena » Notsoahana avy amin’ilay fiteny hoe : « Salve Regina » na « Arahaba ry Mpanjaka vavy ».

I Masina Maria, araka izany, no nofinidin’ny Groupe « Salve » ho mpiaro azy ireo. Tsotra ny antom-pisianay hoy, Rabemahavanona Jean Christian Gabriel, iray amin’ireo Mpamoron-kira eo anivon’ny tarika ary nohamafisin’i Flavien filohan’ny tarika dia ny fivoizana sy ny fanapariahana ny foto-kevitra maha katolika sy ny mampiavaka azy ary ny hampiroborobo hatrany ny finoana katolika. Hitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fanatsarana toy ny fampanarahana ny toetrandro ny tontolon’ny hira sy ny mozika eo anivon’ny finoana Katolika ihany koa ny Groupe « Salve » Marihana fa sanganasa nojarian’ireo mpikambana eo anivon’ny Groupe « Salve » no vazoin’izy ireo entina hanapariahana ny finoana katolika manerana ny vazantany sy hanasongadinana ny maha izy azy ny Katolika. Tsy eto Antananarivo ihany no misy ny Groupe « Salve » fa efa misy ihany koa ireo solofo sy dimby any amin’ny faritra izay nandray fiofanana tamin’ireo mpikambana avy eto Analamanga. Singanina amin’ireny ny any Ambatondrazaka sy ny manodidina. Milalao gadona maroloko (Gsopel, hiragasy, slow, valse, Salegy, Tsapiky, bagasy, sns) ny Groupe « Salve » ary tsy mifidy sehatra ilalaovana (Fanafanana lanonana, fandraisana Sakramenta, sns) Tsy ny laza na ny vola no mibaiko ny tarika fa ny hanapariaka hatrany amin’ny faravazantany ny finoana Katolika ary ny ezaka hatao hamerenana ireo mpino katolika izay mety hivaona hanjohy ny lalan-diso eo amin’ny sehatry ny finoana.

Ny 22 Jona ho avy izao no hian-tsehatra any Ambatondrazaka, Distrikan’ Amparafaravola, ao amin’ny Fiangonana Masindahy Augustin, ny Groupe « Salve » amin’ny alalan’ny fanafanana fetin’ny taranaka. Hitohy ny 15 Jolay hatramin’ny 15 aogositra ny fitetezana ireo Fiangonana ao amin’ny Distrikan’Amparafaravola izay ho santarina any Ambaiboho. Manodidina ny roampolo ireo mpikambana eo anivon’ny Groupe « Salve » izay ahitana laika sy mpitondra fivavahana toy ny masera. Ity farany izay anisan’ireo mandray anjara mavitrika amin’ny lafiny fihirana. Raha fintinina, vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny alalan’ny hiorta sy ny mzoika ary ny dihy ho fanabaeazam-boho ny tontolon’ny finoana katolika ny Groupe « Salve ». Ampahany amin’ireo tsanganasan’ny Groupe « Salve » efa maro mpankafy ny « Zoma masina », « Annonciation » ary ny « Antso » Andalam-piketrehana ny fanajariana ny rindran-tsary ombam-peo « Clip » n’ireo vazony ny tarika.

Vous aimerez aussi