HAFATR’ANDRIAMANITRA : Nojapian’ny raharaha politika

Mbola mahasarika ny sain’ny maro ny hafatra nentin-dRtoa Joana, ilay breziliana voalaza fa nirahin’Andriamanitra hankaty Madagasikara.

5 volana aty aoriana anefa vao navoaka tamin’ny fahitalavitra (ary televizionim-panjakana) ny horonan-tsary. Mety ho sarotra loatra ve ny nanatontosa ilay izy sa tsy dia maika loatra ilay hafatr’Andriamanitra ? Soa fa tsy Malagasy ilay mpilalao fototra na dia teo aza ireo mpanamory malagasy. Raha tsy izany manko, nirona tamin’ny… angano avokoa ny sain’ny mpanara-baovao.

Resaka finoana no tena nibahana tamin’iny horonan-tsary iny ka sarotra ny fampandresen-dahatra ny tsirairay fa aoka samy hino izay hinoany avy ary handray izay mety ho tandrify azy koa.

Ny azo antoka kosa dia izao : tokony hitodika lalina amin’Andriamanitra ny vahoaka Malagasy ary haneho fisaorana lalina Aminy, noho ny valanaretina tsy ataony mandripaka eto. Satria hoy ny Teniny : “Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia ho levoniko aza ny firenena rehetra nampielezako anao, Hianao kosa tsy mba ho levoniko ; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany Hianao, fa tsy dia havelako fotsiny.” (Jer.30/11).

Ny irariana indrindra koa dia ho lasa tany hanan-karena (na dia efa manana aza) i Madagasikara fa ny fitsinjarana izany no tsy ara-drariny hatrizay. Eo rahateo ny mpanao tantely afa-drakotra !

Fanetren-tena

Fa naha-zendana loatra ny fanetren-tena nasehon-dRtoa Joana. Tsy nisy ny fireharehana sy ny fieboeboana ho irak’Andriamanitra. Tsy mba nanana teny firy izy fa ny nanatontosa ny hafatra no nataony dia nody izy.

Feno fieboeboana kosa anefa ny nandravaka ny horonan-tsary. Difotra tao anatin’ny fampielezan-kevitra indray ny hafatra masina.

Azo norohitina iny horonan-tsary iny ka azo natao ny nampifandraika azy tamin’ireo karazana fampanantenana samihafa. Mety ho azo natao ohatra ny mampandefa fiara tsy mataho-dàlana nanao lakroa teny… Ambohitrimanjaka.

Vous aimerez aussi