Hala-jaza sa fakana an-keriny no nitranga teny Ambohitrimnjaka. Niteraka savorovoro ary nifamahofaho tamin’ny vahoaka teny an-toerana ny zava-niseho. Nitondra fanazavana mikasika izany ny Ben’ny tanànan’Ambohitrimanjaka, atoa Randriamanalintsoa Ihajason na Zàzà, fa ny alarobia 2 jona teo dia nisy nanao filazana zaza very tao an-toerana, fa tsy fakana an-keriny na hala-jaza no nisy. Zazavavy antsoin hoe Stéphanie 12 taona izay mipetraka ao amin’ny fokontany Ampahanimahitsy no very tamin’io. Ny alakamisy 3 jona, tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30 minitra hariva dia tsy nody an-trano io zaza io. Tonga tany amin’ny fokontany ny ray aman-drenin’ny zaza nitaraina ary niantso ny zandary avy ao Ambohitrimanjaka ary nanao ny fikarohana avy hatrany. Ny zomà maraina dia niverina tany amin’ny fokontany Ampahanimahitsy ny ray aman-drenin’ny zazavavy ary naka mpimasy izy ireo. Nilaza ilay mpimasy, « fa tsy very ny zaza fa ao amin’ny trano maintso ao amin’ny fokontany Farahindra », hoy izy. Nihorohoro ny sain’ny ray aman-drenin’ilay zaza teo. Nampilazaina ny zava-nisy indray ireo zandary tao an-toerana, fa nisy nanafina, ka tonga ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohidratrimo ary nanampy tamin’ny fikarohana. Ny zomà sy ny sabotsy tsy afaka nanao fisavana izy ireo raha tsy manana « perquisition ». Ny alahady maraina dia nifampiraharaha tamin’ny tompon-trano maintso sy ny ray aman-drenin’ny zaza ary ilay mpimasy ireo zandray, fa haka ilay zaza ao amin’io trano voalaza io. Nilaza indray ilay mpimasy avy eo ary nohamafisiny tsara fa « ao amin’io trano maintso io ilay zaza ary izy mpimasy ihany no maka azy. Rehefa tsy mitondra ilay zaza mivoaka ny trano avy ao aho, hoy izy dia tapaho ny tanako ary hataovy pôto izaho», hoy izy nanamafy. Voalaza fa misy lakavy tao amin’ilay trano maintso, ka amin’ny maha mpimasy azy dia nosavaina ny trano ary nitondra maritoa, baramina ary angady ireo zandary. Nisy toerana nosimbaina tao amin’ilay trano. Voatery nantsoina indray ny vadin’ilay mpimasy, fa izy ireo no mahita sy mahafantatra ny misy ilay zaza. Tsy hita tao an-trano ilay zaza ary nanao fanambarana indray ilay mpimasy hoe « efa notetitetehin’ireo mpangalatra ary nataony anaty sachet ny fatin’ilay zazavavy », hoy hatrany ity mpimasy ity. Tokony ho tamin’ny 3 ora folakandro tamin’io alahady io dia nahazo antso avy tamin’ilay zazavavy ny rainy hoe « ety Analakely izaho fa alaivo aty », hoy ilay zaza tamin’ny dadany. Efa vory ny vahoaka tao Ambatolampy, Ampahanimahitsy, ary nilaza ny rainy fa efa hita i Stéphanie. Aseho anay, hoy ireo vahoaka maro. Maro tamin’ireo fokonolona no nilaza fa misy zavatra tsy milamina tamin’ny fahaverezan’ny zaza izao. Tokony ho tamin’ny 8 ora alina, niakatr’afo ny olona, voatery niantso renfort ireo zandary tao an-toerana, ka 4×4 efatra sy kamiao 3 ana zandary no tonga teny an-toerana. Nisy nitorabato taorian’izay ary nifanjevo ny olona. Nanapoaka lakrimozena ireo zandary ary nandamina ny olona mba tsy hikorontana. Nisy naratra ny andaniny sy ny ankilany, hoy ny Ben’ny tanàna. Tsy nisy koa ny trano may, fa voaaro ny zandary ary milamina ny zava-nisy taorian’izay. Tsy misy resaka ambadika politika na kely aza ity filazana zaza very ity, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Ilay mpimasy izay nahatonga ny savorovoro kosa dia mbola tsy hita hatramin’izao niaraka tamin’ilay olona nanely tsaho, fa karohin’ny zandary fatratra izy ireo amain’izao. Nanao antso avo ny Ben’ny tanàna Zàzà, fa mila fandinihana tsara ary hatao am-pisainana vao manao zavatra, fa lasa miteraka korotan-tsaina ho an’ny vahoaka izany, hoy izy.
