Tsy azo atao ny manjono sy mivarotra ary mihinana ny hazandranomasina fantatra amin’ny anarana hoe « sardine », mandritra ny efa-bolana. Izany no didy navoakan’ny ministera tompon’andraikitra mba hiarovana amin’ny fahapoizinana ara-tsakafo. Ankoatra io anefa dia mila tandremana ihany koa ny atsantsa sy ny soka-drano.
Vanim-potoana mafana
Ny marimarina kokoa dia voarara ny fitrandrahana ireo hazandranomasina ireo manomboka ny 01 novambra ka hatramin’ny 31 martsa, indrindra ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana, Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Sava, Boeny ary Diana.
Amin’ny vanim-potoana mafana tahaka izao manko no fihinanan’izy ireo lomotra tsy hita maso (na micro algues) mahafaty, izay maniry ao an-dranomasina ao. Hany ka saika isan-taona dia misy ny olona marary na maty mihitsy aza noho ny fihinanana io trondro io.
Vokatra
Izao vanim-potoana izao indrindra anefa no maha-betsaka ny « sardine ». Alaim-panahy, noho izany ny mpiandriaka ny haka azy. Ny mpanjifa rahateo koa tsy maharitra noho ny vidiny mora sy ny henany matsiro. Hany ka ahitana ireo tsy tan-dalàna mbola mivarotra azy hatrany eny an-tsena eny.
Misy, araka izany, ny tompon’andraikitra natao hanara-maso hatrany ny famarotana ity trondro ity, eny an-tsena eny. Ny misoroka ihany anefa no tsara toy izay ny mitsabo sy iharan’ny fahafatesana.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.