Antom-pijoroan’ny “Réseau Association des Femmes Samaritaines” na ny “Réseau AFSA” nandritry ny 30 taona teto Madagasikara ny hampihena ny trangan’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy. Izany indrindra no hiseharan’izy ireo manokana eo amin’ny ady momba izany. Mba hanamafisana ny fanitaram-pahalalana sy ny fanavaozana ireo tsara ho fantatra rehetra rehefa misy ny trangan’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy dia nanatontosa dinik’asa, teny Antaninarenina, ny “Réseau AFSA”, ny alatsinainy 30 jona 2025.
Io fotoana io izay nanombohana ihany koa ny tetikasa “VATAKO-L’OREAL” no nanatontosana ny dinik’asa. Ankoatra izay dia teo ihany koa ny fampitoviana ny hafatra ampitaina sy ny fanentanana eny amin’ny fiaraha-monina. Ny dinik’asa izay haharitra 9 volana ary hampiharina any amin’ireo faritra miisa 4 eto Madagsikara dia Antanananarivo, Moramanga sy Brickaville ary Toamasina.
Ity dinik’asa izay notontosain’ny “Réseau AFSA” ity dia niarahany tamin’ireo mpiara-miasa aminy toy ny « Fondation L’Oréal sy ny « Médecin du monde » ary ireo mpisehatra maro samihafa toy ny solontenan’ny fokontany, ny fahasalamana, ny polisy sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ary ny ministeran’ny mponina sy ny firaisan-kina. Ity herisetra iadian’ireo mpisehatra maro samihafa ity amin’izao fotoana izao izay mihamahazo vahana hatrany.
Tsy mijanona fotsiny eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, ara-bola ihany ny herisetra ankehitriny fa efa tonga hatrany amin’ny tambajotran-tserasera ihany koa izany. Antony hanamafisana ny ady. Ny hanolorana sy ny hizarana ny vokatry ny dinik’asa eo amin’ireo mpanatrika sy ireo sampana mandray an-tanana ireo olona niharan’izany herisetra izany no tanjona. Vina apetraky ny tetikasa “VATAKO-L’OREAL” eo amin’ireo olona niharan’ny herisetra sy ireo olona marefo ary ireo olona voailikilika ireo ny hampisitraka fahasalamana sy zo ara-pananahana feno, araka ny fanazavan’ny mpandrindra ara-tekinika ny “Réseau AFSA”, Rarivoarilala Esther.
Ireo olona hiharan’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy na ireo mahita ny tranga momba izany izay efa sahy mitoroka izany eny amin’ireo mpandray an-tanana izany raha toa ka tsy sahy nanao izany izy ireo teo aloha. Mihamitombo hatrany mihitsy aza izany fahasahiana fitorohana izany. Antony fanohizana ny ezaka amin’ny fanentananana ny tsirairay, araka ny fanazavan’ny Talen’ny fampivoarana ny vehivavy eo anivon’ny ministeran’ny mponina sy ny firaisankina.
