HETSIKY NY “GENERATION ELITE D’ATSIMONDRANO” : Hitohy amin’ny herinandro ho avy

Vontoatin’ny fanambaran’ny “Génération Elite d’Atsimondrano”, ny sabotsy 8 novambra 2025, manoloana ny Lapan’ny Tananan’Andoharanofotsy, ny tsy fanekena ny fitantanana goragora ao amin’ny Kaomininina Anodoharanofotsy. Mitaky ny fitantanana mangarahara ny “Génération Elite d’Andoharanofotsy”. Izy ireo izay mitarika ity hetsika ity. Fitantanana mangarahara eo amin’ny resaka ara-bola ao amin’ny Kaominina sy ao amin’ireo fokontany mandrafitra ny kaominina.

Namaly ny antson’ireto “Génération Elite d’Atsimondrano” ireto ny mponina ao amin’ny Kaominina Andoharanofotsy. Nandritra io fotoana tamin’ny sabotsy 8 novambra 2025 io anefa dia nisy ny fampatahorana natao azy ireo sy ny mponina mpanara-dia. Tsy vitan’ny fampatahorana azy ireo ihany fa nisy ny fandratrana ny naman’ireto “Génération Elite d’Andoharanofotsy” ireto. Nandritry ny fifampiresahan’ireto mpitarika ireto tamin’ny Ben’ny tananan’ny Kaominina Andoharanofotsy anefa ny alakamisy 6 novambra 2025 dia nifanaiky ny roa tonta fa hetsika am-pilaminana no hotontosaina.

Tsy izay anefa no niseho fa mbola noratrain’ny mpiara-dia amin’ny Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy ihany ireo mponina nanatontosa hetsika am-pilaminana. Ny hetsika “Génération Elite d’Andoharanofotsy” anefa dia tsy hetsiky ny distrikan’Atsimondrano fotsiny ihany fa efa manerana ny Nosy. Manomboka izao dia mitohy ny hetsika ka hiditra lalindalina kokoa amin’ny hetsika izy ireo. Izany hoe hisy ny lafiny ara-taratasy, ny alatsinainy 10 novambra sy ny talata 11 novambra 2025. Hanangona ny sonian’ireo mponina notakian’ny fokontany sy ny Kaominina vola tsy ara-drariny ny mpanao fihetsiketsehana ka hanatitra izany eny amin’ny “PAC” sy ny “Bianco”. Ireo rafitra roa ireo izay rafitra miady amin’ny kolikoly.

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mba hanome “Ordre de mission” ny “IGE” ny mpanao fihetsiketsehana mba hanatanteraka “audit” eny anivon’ireo Kaominina manerana ny Nosy. Tsy tokony ho tara amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra araka izany ny fitondram-panjakana manoloana ny gaboraraka amin’ny fitantanam-bola tsy ara-drariny eny anivon’ny Kaominina. Izao hetsika izao dia hetsika madiodion’ny “Génération Elite d’Andoharanofotsy” sy ireo mponina eny amin’ny Kaominina Andoharanofotsy. Mitaky ny mangaraharaha araka izany ny “Génération Elite d’Andoharanofotsy” sy ny mponina ka tsy tokony hisy intsony ny ramatahora. Tsy misy resaka fifidianana ihany koa ny fitakiana fa mitaky ny famoahana ny tatitra ara-bola izy ireo. Ataovy mazava ny tatitra ara-bolan’ny fitantanana ny Kaominina araka ny fanambarana. Rehefa mazava izay dia mijanona ny fitakian’ny mpanao fihetsiketsehana, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitarika ny “Génération Elite d’Andoharanofotsy”, Riana Begalona.

Vous aimerez aussi