IBERANANDRASANA JOHNA AUGUSTIN : “Mila Olom-banona sy sahy I Gasikara”

Iberanandrasana Johna Augustin, vonona hizara ny traikefany ho fampandrosoana.

“Mila Olombelona manam-panahy sy nianatra ary sahy ny sehatry ny fanaovana politika ankehitriny eto Madagasikara”, hoy i Iberanandrasana Augustin. Tsapa tokoa mantsy fa mibahana loatra anatin’ny fikirakirana ny politika eto amintsika akehitriny ilay toe-tsaina tia valifaty. Tsy mahay mifamela intsony ny samy “mpanao politika”. Vokany, manjaka ao anatin’ny sehatra politika ny “Kobay an-kelika” sy ny fifampiandrasana kendry tohana. Mihena ny fahasahiana hanao ny marina, ny rariny ary ny hitsiny. Vitsy amin’ireo “mpanao politika” no miaina anatin’ny fahitsiana, fanetretena ary ny fanolora-tena. Tsy mahagaga raha toa ka mikorosy fahana tanteraka ny lentan’ny fanaovana politika eto Madagasikara. Ireo Valala tsy mandady arona no mizaka ny voka-dratsin’ny adilahin’ireo mpanao politika izay tsy baikon’ny fikatsahana tombontsoa iombonana intsony fa ny ho an’ny tenany sy ny fianakaviany ary ireo akamakamany no imasoany fatratra.

Lesoka ankoatry ny fahalovan’ny toe-tsaina entina manao politika eto Madagasikara ihany koa anefa ny nanarian-dRamalagasy ny “maha izy” azy toy ny “Kolontsaina nentim-paharazana” izay mirakitra soatoavina sarobidy loatra ho antoka amin’ny firindran’ny fiainan’ny fiarahamonina mba hisian’ny fampandrosoana. Vokany, zary lasa menatra sy matahotra amin’ny fanehoana ny maha malagasy azy ny Malagasy. Aoka tsy ho hadinointsika anefa fa sarotra ny hisian’ny fampandrosoana anatin’ny firenena iray izay nanary sy nanao tsinontsinona ny kolontsainy sy ireo soatoavina raiketin’izy ireny. Mila resy lahatra amin’ny tenany sy mahatoky tena amin’izay rehetra atao ihany koa ny Malagasy eo am-piatrehana ny fiainana fandalovana. Raha te hahita fahombiazana ombana fandrosoana.

Mila jerena akaiky ihany koa ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fanabeazana eto Madagasikara mba ho mora ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana. Tsy ny fahavitana ireo foto-drafitrasa maro tokoa mantsy no tondrom-pandrefesena ahafahana milaza fa mandroso ny firenena iray fa ny tahan’ny isan’ireo tsy mahay mamaky sy manoratra. Raha ny eto amintsika, mbola ambony ny tahan’ny habadoana izay mananika ny 80 isan-jato amin’ny isan’ny mponina.

Vous aimerez aussi