IMM SY AROVY : Tsy nanadino ireo traboina

Vary 20 gony, voamaina 4 gony, savony 10 baoritra. Ireo no fanampiana nentin’ny Institut Médical de Madagascar (na IMM) sy ny orinasa AROVY namaly ny antson’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanampiana ireo traboina manerana ny Nosy.

Tonga nanatitra izany teny amin’ny foiben’ny BNGRC, etsy Antanimora, io maraina io, ny sekretera Jeneralin’ny IMM, Elanirina Rakotomalala sy ny mpitantana ny orinasa AROVY, Andry Ralambo.

Nandritra izany no nanipihan’ireto mpanome ireto fa tsy voalohany amin’ny asa soa ataony akory izao fihetsika izao. Misy hatrany ny fitsinjovan’izy ireo ny mpiray tanindrazana, indrindra ireo olona marefo, noho ny asany mifandraika indrindra amin’ny sehatry ny fahasalamana.

Amin’ny fangaharaharana

Nandritra izao fandraisana ny fanampiana izao no nananteran’ny sekretera mpanatanteraky ny BGNRC, ny Jeneraly Olivier Elack, toky ny mpanolotra rehetra fa amin’ny fangaharaharana no hizarana ireo fanomezana ka tsy maintsy ho tonga soa aman-tsara any amin’ireo traboina ny fanampiana rehetra. Andrasana kosa anefa ny fandaminana rehetra momba ny fizarana izany.

Vary 30 taonina mahery

Fantatra, araka ny fanambaran’ity sekretera mpanatanteraky ny BGNRC ity fa nanomboka ny 25 ka hatramin’ny 29 janoary lasa teo dia ireto manaraka ireto ny fanampiana voaray : vary milanja 30,7 taonina, voamaina 3 taonina, siramamy 5.500 Kg, menaka 72 litatra, pâte miisa 24.000, bisky 250. Eo ihany koa anefa ny savony, labozia, akanjo, kojakojan-dakozia sy lamba firakotra.

Ankoatra ireo dia misy koa ny lelavola mitontaly 4 tapitrisa ariary, izay azo ampiasaina amin’ny fividianana solika, ohatra, mba hitaterana ireo fanampiana ireo.

Vous aimerez aussi