Efa misokatra amin’izao fotoana izao ny fisoratana anarana ao amin’ny Oniversite “Institut de Formation Technique” na ny “IFT” izay manana ny foiben-toerany eny Ambondrona. Ny alatsinainy 13 oktobra 2025 izao ny fidirana. Lalam-piofanana maro samihafa toy ny: “Bâtiment & Travaux Publics”, “Gestion /Management”, “Informatique”, “Information-Communication-Journalisme”, “Droit”, “Sciences de l’Environnement” no hahazoana ny diplaomam-panjakana ao amin’ity Oniversite tsy miankina ity rehefa vita ny fandrantoana fahaizana amam-pahalalana ao aminy. Manaraka ny rafitra “LMD” ny Oniversite tsy miankina “IFT” izay azo antsoina amin’ny laharana 038 08 433 65. Teny filamatry ny Oniversite tsy miankina “IFT” ny hoe : “Pour un avenir meilleur”. Nandritra izay taona maro nijoroan’ny “IFT” izay efa namoaka tanora mpianatra maro ity Oniversite tsy miankina ity. Efa maro amin’izy ireo ihany koa no tonga dia miditra eo amin’ny sehatry ny asa raha vao vita ny fianarana. Afaka miasa avy hatrany mantsy ireo tanora mpianatra nandranto fahaizana amam-pahalalana avy tao amin’ny “IFT” aorian’ny fahavitan’ny fianarana. Anisan’ireo Oniversite tsy miankina efa manana ny mahaizy azy araka izany ny “IFT” eny Ambondrona, araka ny fanazavana voaray.
