“INSTITUT DES NOUVEAUX ENTREPRENEURS” : Oniversite tsy miankina misehatra kokoa amin’ny lafiny Informatika

Noho ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny dia efa azo tsara amin’izao fotoana izao ny mampifanindran-dalana ny fianarana sy ny asa na eo amin’ireo tanora malagasy izany na eo amin’ireo mbola te hanohy ny fianarany. Maro rahateo ireo Oniversite tsy miankina eto Madagasikara no miezaka mamaly izany filàna izany. Anisan’izany ny Oniversite tsy miankina “Institut des Nouveaux Entrepreneurs” na ny “INE” izay manana ny foiben-toerany eny Anatihazo Andavamamba. Ity Oniversite tsy miankina ity izay ahitana Lalam-piofanana miisa efatra. Eo aloha ny Lalam-piofanana “Multimédia et Communication”, ny “Commerce et Marketing” sy ny “Informatique de Gestion” ary ny “Web Master”. Ny Oniversite tsy miankina “INE” dia misehatra kokoa eo amin’ny lafiny Informatika. Antony dia satria hahafahana hiasana tena avy hatrany izany sehatrasa izany amin’izao fotoana izao. Ny Oniversite tsy miankina “INE” rahateo dia mampiofana arakasa sy manolotra asa avy hatrany ho an’ireo nandranto fahaizana amam-pahalalana tao aminy. Ny diplaomam-panjakana “DTS” sy “Licence” no atolotra ireo nahavita fianarana tao amin’ny Oniversite tsy miankina “INE”. Ny taona 2019 no efa nijoro ny “INE” izay niseho tamin’ny endrika “Centre de formation”. Niova endrika indray izany taty aoriana ka ny taona 2022 no nisehatra teo amin’ny Oniversite tsy miankina ny “INE”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny “INE”, Andrisoa.

Vous aimerez aussi