ISOTRY-67 HA : Tsy voahaja ny elanelana iray metatra sy ny fihibohana

Mifanitsa-kitro ireo mpiantsena tazana eny amin’ny faritra Isotry hatrany amin’ny faritra 67 Ha saika isanandro vaky. Tsy voahaja ny elanelana 01 metatra takian’ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana mba hisorohana ny mety ho fihanaky ny covid- 19. Ireo mpivarotra eny amin’ireo toerana voatanisa etsy ambony ihany koa dia tazana fa mifanakaiky zara raha misy elanelany.

Fihibohana tsy mety tanteraka

Nambara ombieny ombieny fa mbola ao anatin’ny vanimpotoanan’ny fihibohana ny Malagasy ankehitriny. Mahavariana anefa fa misy hatrany ireo « mafy loha » tsy manaraka izany hita etsy sy eroa. Raha ny zavamisy maneran-tany ho amin’ny fiatrehana ny covid- 19 dia ny fanatanterahana ny fihibohana an-trano ihany aloha hatreto no paikady tsara indrindra ahafahana mifehy ny fipariahan’ity valanaretina efa nandripaka ain’olona maro be ity.

Mila manaja sy manaraka ny fepetra napetraka ny isam-batan’olona mba tsy ho sanatria ho maro ireo aina hafoy noho ny valanaretina covid- 19 eto Madagasikara. Mitaky fandraisana andraikitra hentitra kokoa avy amin’ireo tomponandraikitra (mpitandro ny filaminana, sefom-pokontany, sns) amin’ny fampiharana ny fihibohana sy ny fanajana ny elanelana iray metatra hisorohana ny fihanaky ny covid- 19. Samia tonga saina sy mandray andraikitra izay manandrify ny tsirairay fa sarobidy ny aina e !

Vous aimerez aussi