Ny alatsinainy ho avy izao no handevenana ny nofo mangatsiakan’ny Filoha frantsay teo aloha, Jacques Chirac. Hiavaka izany fotoana izany, satria ireo olona akaiky azy ihany no hanatanteraka izany.
Azon’ny rehetra atao kosa ny manao veloma farany azy hatramin’ny omaly alahady, tao amin’ny Invalides ao Parisy.
Natao ho andro fisaonana, araka izany, ny alatsinainy ho avy izao, ho an’ny Frantsay raha hanatanteraka ny fandevenana azy ny fianakaviana.
Hisy ny fotoana manokana izay hataon’ny fianakaviana, ao amin’ny katedralin’i Saint-Louis-des-Invalides, izao hanaovan’ny miramila poa-jenitra azy. Avy eo dia hentina ao amin’ny Fiangonana Saint-Suplice ny razana.
Hisy ny fahanginana iray minitra any amin’ny trano fiasana sy ny sekoly rehetra, mialoha ny handevenana azy ao Montparnasse, eo akaikin’ny zanany vavy Laurence.
Mahatsiaro ny Malagasy
Maty teo amin’ny faha-86 taonany, ny alakamisy lasa teo moa ity Filoha frantsay teo aloha ity. Anisan’ny Filoha nankamamian’ny maro izy, tsy ny Frantsay ihany fa ny firenena maro maneran-tany, noho ny fahaizany nitondra, ka nametrahana azy ho anisan’ny mpanao politika goavana.
Tsy diso anjara amin’izany koa ny Malagasy, satria anisan’ny filoha frantsay efa nanao fitsidihana teto amintsika i Jacques Chirac, 15 taona lasa izay. Raha ny marina kokoa dia ny 21 sy 22 jolay 2005 ity Filoha ity no nandalo teto Madagasikara.
Nafana dia nafana tokoa ny nandraisana azy tao Mahajanga, izay nanatrehany ny fametrahana ny vatofehizoron’ny tsenan’i Marolaka, izay famatsiambola avy amin’ny « Agence française de developpement » (AFD). Ary dia nihazo ny renivohitra izy avy eo.
Izy no filoha frantsay faharoa, taorian’i François Mitterand, izay nitsidika teto, ny taona 1989.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.