Nanome ny heviny mahakasika ny toeran’ny ray eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena ny mpandalina fiarahamonina malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Nihen-danja izany toeran’ny ray izany ankehitriny, hoy izy, noho ny fandrosoan’ny teknolojia. Aminy anefa dia toy ny « kapitenin-tsambo » izany ray izany eo anivon’ny tokantrano. Izy no tompon’andraikitra voalohany eo anivon’izany tokantrano izany amin’ny ankapobeany, na eo ary hoy izy ny fitovian’ny adidy eo amin’ny lahy sy ny vavy amin’ny fikarakarana tokantrano ankehitriny. Raha ny nambarany dia mafy izany adidy izany amin’izao vanim-potoana misy antsika izao noho ny fiainana izay mihasarotra ka miteraka faharefoana ho an’ireo tokantrano malagasy. Tranga mampalahelo dia misy ny ray no milavo lefona ankehitriny manoloana izany. Misy ireo mitsoaka adidy, ireo mivari-lavo na koa lasa adala mihitsy aza vokatry ny adi-tsaina. Eo amin’ny fitaizana ny zanaka hoy hatrany ity mpandinika ity dia hita fa noho ny fandrosoan’ny haitao dia lasa any anatin’ireo tambazotra sy fitaovam-pifandraisana samihafa no tena ahazoan’ny ankizy ny fanabeazana noho ny fahasahiranan’ireo raim-pianakaviana amin’ny fitadiavana. Lasa ireo any ivelany no manabe ny ankizy noho izany, raha toa ka tokony ho adidin’ireo raim-pianakaviana izany. Maro anefa ireo fanabeazana diso hoentin’izy ireny ka lasa manaotao foana ireo ankizy ka miteraka fahasahiranana hoan’ireo ray aman-dreny izany. Na eo aza anefa ny olana sahimafa, hoy hatrany izy, dia tsy vitsy ihany koa ireo mitraka ary manohy mitady izay hahasoa ny ankohonany hatramin’ny farany. Aminy dia ny zanaka no anisan’ny tohana ho an’ny raim-pianakaviana manoloana ireo adidiny. Ary ny fetin’ny ray manokana, izay nankalazaina ny alahady teo, dia andro ahafahan’ny zanaka maneho izany fanohanana izany amin’ny fitondrana valim-babena ho azy ireo. Tsapa anefa ankehitriny, hoy ity mpandinika fiaraha-monina fa sahirana koa ireo zanaka ka tsy ahafaka manao izany. Amin’izao fankalazana ny fetin’ny ray izao, ary amin’ny andavanandro rehetra mihitsy aza, dia nanafatra ny ray rehetra i Jean Nirina Rafanomezantsoa mba tsy hanadino ny maha « kapitenin-tsambo » azy ireo eo anivon’ny ankohonany. Anjaran’izy ireo hatrany ny manabe ny taranany ary tokony horaisiny mandrakariva ny adidiny sy andraikiny eo anivon’ny tokantrano sy ny fiaraha-monina ary ny firenena na dia misy aza ny olana samihafa.
