Nitolona ny mpiasan’ny Jirama fa tsy afaka mitsinjo ny vahoaka hono ny fanovana rafitra vaovao hapetraky ny Fanjakana. Nefa loza fa voatambitambin’ny Filoha Rajoelina dia tsy nahetsika fa maty momoka ny tolona.
Miverina amin’ny laoniny ihany ny fomba taloha ary vao maika aza miharatsy ny Jirama. Manapaka jiro isam-pokontany indray izao no ataony raha vao tsy voaloa ny faktiora. Betsaka ny trano tapaka jiro amin’izao fotoana izao. Sahirana ny fianakaviana amin’izao fotoana izao amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, dia io koa manapaka jiro ny Jirama. Ny fahatapahan’ny jiro isan’andro na ny delestazy tsy mijanona no manimba ny fitaovana ao an-tokantrano rehefa miverina iny ny herin’aratra.
Tokony hanohana anareo mpiasan’ny Jirama ve izahay vahoaka ? Tsia. Ary miala tsiny fa tsy misy ilavanay Jirama, manapaka jiro ary tsy mitsinjo anay. Tapao any daholo ny jirom-bahoaka fa izany ny fitsinjovanareo vahoaka ary nanaovanareo Grévy. Tsy dia mieritreritra loatra ianareo fa tambatambazana fihaonana dia manapaka jiro no ataonareo.
Tsy manohana ny tolona ataonareo ny vahoaka. Tsy ilainy ny manapaka ny fiainany efa mangidy io. Faly ianareo fa tsy misy jiro ny vahoaka ? Mazava raha toa izao no hiafaran’ny Jirama. Mbola maizina ianareo ka lasan’ny sasany ny volanareo. Dia ny vahoaka no asainareo manonotra ny lany rehefa mandoa vola izy mamerina ny jirony.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.