KAOMININA AMBOHITRIMANJAKA : Ankizy 221 no nahazo kopia faobe

Ankizy 0 ka hatramin’ny 12 taona no nahazo kopia faobe tao amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka, ny faran’ny volana janoary lasa teo. Araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna atoa Zazà, fa nohon’ny ezaka nataon’ny kaominina manokana sy ny fitsarana no nahafahana nanao izao ezaka kopia izao. Ny fikambanana Koloaina kosa no nanamora ny fahazoana izany kopia ho an’ny ankizy izany. Zava-dehibe ho an’ny ankizy, hoy ny ben’ny tanàna, ny fananan’ny ankizy 1 kopia. Satria tsy afaka hianatra na hiasa izy rehefa tsy manana kopia. Olana na/sy sakana ho an’ny ankizy ny tsy fananana kopia, ka antony iray nanomezana azy ireo kopia ary zon’ny ankizy rahateo ny manana kopia, hoy izy. Andiany faharoa izao ezaka kopia notanterahin’ny kaominina Ambohitrimanjaka izao, hoy ny ben’ny tanàna. Nomarihan’ity farany, fa maimai-poana izao ezaka kopia faobe izao ary tsy nandoa na dia ariary aza ny ray aman-drenin’ireto ankizy ireto. Rehefa manana kopia ny ankizy dia mahazo karapanondro ary afaka manao zavatra hafa. Midika izany, hoy ny ben’ny tanàna, fa tombony ho an’ny ankizy ny fananana kopia. Ho avy tsy ho ela ny andiany fahatelo izay iarahana amin’ity fikambanana ity. Marihana, fa fokontany 25 mandrafitra ny kaominina dia ezahin’ny ben’ny tanàna omena kopia ny ankizy. Eo ihany koa ny fisoratana faobe ireo mpivady izay mbola tsy nisora-panambadiana, nefa efa niteraka. Eo ny mety tsy fananana ny enti-manana hanatanterahana izany, na olana hafa. Nahatratra 33 mantsy ireo mpivady nosoratana faobe tao amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka tamin’io andro io.

Vous aimerez aussi