Efa voarakitra ao anatin’ny boky avokoa ireo fotodrafitr’asa rehetra entina mampandroso ny kaominina Ambohitrimanjaka ary efa nahazo fankatoavana teo amin’ny mpanolontsaina ny tanàna. Fanatsarana ny fampidirana rano, na ny barazy eny Antsampanana na ny eny Ikotrana izany. Tsy maintsy jerena izay tena asa maika voalohany, indrindra fa ny tena fampandrosoana. Eo ihany koa ny hoe inona ny tena fiveloman’ny mponina, dia jerena izany. Misy mponina 46.000 eo ny ao amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka, ka ny 85% n’ireo dia saika mpamboly sy mpiompy avokoa ary manana tanimbary ary io no tena fiharian’ireo vahoaka 85% ireo. Nambaran’ny Ben’ny tanàna atoa Randriamanalintsoa Ihajason na Zàzà, fa raha te hampandroso io kaominina io, dia tsy maintsy mieritreritra io tanimbary io. Noho izany dia misy ny fanatsarana ny barazy, amin’ireo toerana 2 voalaza etsy ambony ireo izay hanondraka ireo tanimbary ireo, izay mirefy 2,100 hektara. Manodidina ny 4 alina eo ireo vahoakan’Ambohitrimanjaka izay mivelona sy mihary eo amin’io tanimbary io. Tsy ny tompon’ny tanimbary ihany no mivelona amin’izany, satria ny tanimbary dia fototry ny fiharian’Ambohitrimanjaka. Ao no misy ny mpikarama isan’andro, ny resaka fambolena vary, ny manetsa, ny manosy ny tanimbary, ny mampiasa fitaovana, mitaona zezika, ny mitaona ketsa, manala ahitra, ny manao valaparihy, ao anatin’izany ihany koa ny mpiompy ganagana, ny mpiompy gisa, izany hoe asa mandava-taona ny mivelona amin’izany. Ao anatin’izany ihany koa ny mpaka trondro sy ny mpanihaka, ny mpanaranto, izany hoe ireo mpanao trondro, satria ny trondro amidy aty Antananarivo dia avy ao Ambohitrimanjaka avokoa. Noho izany tsy maintsy mieritreritra ny Ben’ny tanàna amin’ny fanondrahana io tanimbary fiveloman’ny mponina io. Tsy hisy ireo zavatra voatanisa ireo, raha tsy voatondraka ny tanimbary, hoy izy. Tsy maintsy ho voatondraka ara-dalana anefa io tanimbary io mba ahafahan’ny mponina mivelona sy miaina ara-dalana. Noho izany ny barazy eny Antsampanana izany dia tsy maintsy averina hanondraka io tanimbary io ary hanao fotondrafitrasa ny kaominina Ambohitrimanjaka, mba hiatrehana ny fijaliana amin’ny fampidirana rano, izay iarahana amin’ny kaominina Ambohidrapeto, Ankadimanga, Fiombonana. Marihana, fa hitarika rano manokana ny kaominina ary tsy hialà amin’ireo kaominina 3 voalaza ireo, fa hanao ny azy manokana Ambohitrimanjaka, satria efa an-taona maro no tsy nisy ny fampidirana rano. Raha te hampandroso izany ianao, dia ny tena maika dia manajary ary mieritreritra sy manamboatra io tanimbary fiharian’ny mponina io. Ny eny Ikotrana koa dia efa ifanarahana, fa amin’ny alarobia ho avy izao dia hisy ny fidinana ifotony miaraka amin’ny kaominina Tambabe, Fiadanana, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Ankadimanga ary Ambohitrimanjaka, ireo no tompon’andraikitra amin’ny fanamboarana ireo barazy eny Ikotrana ireo. Hisy ny tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny APIPA, ny Agriculture ato amin’ny faritra Analamanga, ny Génie Rural, hidina sy hijery eny an-toerana ary hanampy ireo kaominina ireo, miaraka amin’ny Ambohitrimanjaka, mba hampidirana rano amin’ny ara-dalana mba tsy ho tara intsony. Satria rehefa tsara ny rano dia tsara ny vary aloa ary mamokatra izy. Rehefa tsara ny rano ampidirina dia afaka miasa tsara ara-dalana ireo mpiasa an-tanimbary voalaza etsy ambony ary na ny trondro aza tsara koa. Mitetina 35 tapitrisa ariary no hanaovana io tetikasa lehibe ao amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka io. Laharam-pahamehana io asa io mba ho fampandrosoana ho an’ny olona mivelona amin’io tanimbary io, izay marihana, fa ny 15% ny mponina dia manana fihariana manokana ho azy. Miara-mientana ihany koa isika amin’ny fampandrosoana. Teo ny fanamboarana ny lalana ary mbola mitohy izany. Ny lalana RIP 29 efa mandeha koa ny asa. Ny fanamboarana ny CSBII, fanamboarana ny trano lehibe ho fandraiasana ireo vehivavy miteraka sy misitraka ny fitsaboana. Eo ny fametrahana ny jiro amin’ny andrin-jiro tsy misy izany, indrindra fa ny fampidirana rano ho an’ny kaominina. Nohatsarana sy nohavaozina avokoa ny birao rehetra tao amin’ny lapan’ny tanàna.
