KAOMININA AMPITATAFIKA : Nanolotra fanomezana tamin’ireo mpianatra tsara naoty tamin’ny CEPE

Lanonana maro sosona no notontosaina teny amin’ny kaominina Ampitatafika, ny alatsinainy 7 jolay 2025. Teo aloha ny fanolorana loka ireo ankizy mpianatra tsara naoty indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE 2025. Ankoatra izay dia ny fanolorana amboara tamin’ny fifaninana ara-panatanjahantena nokarakarain’ny distrika izay ny kaominina Ampitatafika no nivoaka mpandresy.

Raha ho an’ny fanolorana loka tamin’izay fanadinam-panjakana CEPE 2025 izay dia niisa efatra mianadahy ireo nahazo naoty tsara indrindra. Ankizy mpianatry ny sekoly tsy miankina ny roa raha avy amin’ny sekolim-panjakana ny roa ambiny. Notolorana lelavola Ar 1000.0000 ireo nahazo naoty ambony indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE 2025. Anisan’izany ilay zazavavy avy ao amin’ny sekoly Advantista Tsararay Ampitatafika. Tanjona ny mba hanohizana ny fianarany satria ny fianarana no lova tsara indrindra. Notolorana lelavola Ar 800.000 ihany koa ireo mpianatra nahazo ny laharana faharoa raha notolorana Ar 700.000 ny sekoly nihavian’ireo mpianatra efatra mianadahy ireo. Anisan’izany ny sekoly fo masin’i Jesoa sy ny EPP Ankadintany ary Ambohimpamonjy.

Ankoatra ireo ankizy mpianatra nilofo mafy tamin’ny fianarana ireo dia notolorana ny anjarany ihany koa ireo mpampianatra. Vina apetraky ny kaominina Ampitatafika ny handrisika ireo ankizy mpianatra mba hianatra ka ho amin’ny tsara hatrany. Izao fanolorana loka ny ankizy mpianatra ao amin’ny kaominina Ampitatafika izao izay tsy hifarana hatreo fa hitohy amin’ireo ankizy mpianatra mendrika indrindra amin’ny fanadinam-panjakana BEPC sy Bakalorea. Ireo mpianatra miisa 3 tsara naoty indrindra na avy amin’ny sekoly tsy miankina na avy amin’ny sekolim-panjakana araka izany dia samy hotolorana lelavola avokoa aorian’ny fivoahan’ny voka-panadinana, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna, Ramparaoelina Rado.

Vous aimerez aussi