Fanja Raharimanana, fantatry ny maro eny Andoharanofotsy amin’ny hoe : Fanja. Izy no Kandidà Andriambavilanitra, natolotry ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) Andoharanofotsy ary tohanan’ny Vovonana Firaisankina. Mitondra ny laharana voalohany, anatin’ny Biletà tokana, ho amin’ny fifdidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina, hotanterahana, ny 11 desambra ho avy izao.
Fanja Raharimanana, teraka sy lehibe tao Andoharanofotsy. Ny Rainy mandraharaha eo amin’ny sehatry ny fivarotan-kena sy ny Reniny Marianne, izay monina ao ampovoan-tanànan’Andoharanofotsy. « Zanaky ny Tanàna », tokoa, araka izany, i Fanja. « Ny hitondra ny anjara biriky keliko sy mamanandrify ahy ho amin’ny fampandrosoana ny Kaominina Andoharanofotsy no naharesy lahatra ahy ho anisan’ireo mpifaninana amin’ity fifidianana ity », hoy i Fanja.
Nandalina ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Tsy atoro voanjo hadiana amin’ny fahafantarana ny tontolo ambanivohitra ihany koa izy noho ireo andraikitra sy tetikasa maro efa niantsorohany an-taonany maro. Ampahany tamin’izany ny tetikasa « Adra », ny seha-mihariana ronono « Land O’ lakes tany Antsirabe, « Usaid », Vondrona eropeanina, sns. «Maro ireo sedra sy dingana sarotra sy mafy efa nolalovako teo amin’ny fiatrehana sy fanatanterahana ireo asa aman-draharaha niatsorohako». « Ireny mitambatra no nakako lesona koa nahafahako nandresy ireo sakana maro izay nitarika hatrany ho amin’ny fahombiazana », hoy i Fanja Raharimanana. Manankina ny fiainany rahateo amin’Andriamanitra izy. Tinaiza eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy i Fanja Raharimanana. Anisan’ireo mpikambana mandrafitra ny biraom-piangonan’ny FLM Mahalavolona Andoharanofotsy ny tenany ary filoha lefitry ny fikambanana iray eo anivon’ny Fiangonana.
Olon’ny fiarahamonina, sariaka ary tia manampy ireo Mpiara-belona aminy i Fanja Raharimanana izay Kandidà Vavitokana avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tohanan’ny Vovonana Firankina, mitondra ny laharana voalohany anatin’ny Biletà tokana, hifaninanana hofidiana ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Andoharanofotsy. Manana fandaharanasam-pampandrosoana sy vina efa maty paika sy mamaly ny filan’ireo mponina ary azo hampiharina avy hatrany ao anatin’ireo fokontany miisa valo mandrafitra ny Kaominina Andoharanofotsy i Fanja. Tsongaina amin’ireny ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana, fahasalamana, fandrindrana ny Tanàna amin’ny ankapobeny toy ny fandaminana ny lafiny fitaterana, fampandriana fahalemana, fanamboarana ireo lalankely, fanadiovana, sns. Ho jerena manokana ny lafiny famoronana asa ho an’ireo Vehivavy. Raha tsiahivina, efa nisehatra teo amin’ny lafiny asa tanana vita malagasy « Art malagasy » i Fanja koa tsy ho sarotra aminy ny hanampy ireo Andriambavilanitra toa azy mba hananan’izy ireo asa mendrika sy maharitra. « Andoharanofotsy, Milamina, Mandroso, Tsara tantana ary Maha te-honina » no filamatra.
Manentana hatrany ireo Olom-pirenena manan-jo handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana hotanterahana, ny 11 desambra ho avy izao i Fanja Raharimanana. Nomarihany fa raha maro no mandeha mifidy dia ho sarotra kokoa ho an’ireo manana teti-dratsy ny hangala-bato sy hanova ny safidim-bahoaka ny hanatanteraka izany. Ankehitriny, efa maro ireo feo re sy tranga mampiahiahy manodidina ny fiatrehana ny fifidianana ami’ny 11 desambra. Mila miray hina, tony nefa mailo hatrany, araka izany, isika « Mpifidy » mba hahafahana manara maso akaiky sy miaro ny safidy.
