KAOMININA BEKOPAKA EO AMIN’NY LAFINY FIZAHAN-TANY : Entina hampandrosoana ny andavanandron’ireo mponina

Dinikasa izay notontosaina tamin’ny alalan’ny fihaonana, teny Faravohitra, no nentin’ny kaominina Bekopaka, hamahana ny olany any an-toerana sy ny lafiny fizahan-tany ao amin’ity kaominina ity sy ny Tsingin’i Bemaraha. Ity dinikasa izay nokarakarain’ny kaominina Bekopaka, ity dia nanasany, ireo minisitera voakasika sy ny sehatra tsy miankina eo amin’izay lafiny fizahan-tany izay.

Anisan’izany ny « Ministère du Tourisme et l’Artisanat », ny « Ministère de l’Environnement et du Développement Durable », ny « Ministère des Travaux Public », ny « Ministère des Transports et de la Météorologie », ny « Ministère de la Décentralisation et de l’Amenagement », ny « Ministère Délégué en charge de la Gendarmerie Nationale », ny « Ministère de la Sécurité Publique », ny « Madagascar National Parks-MNP », ny  Confédération du Tourisme de Madagascar », ny « Association des Tours Opérateurs de Madagascar » sy ny « Fédération des Hôteliers et des Restaurateurs de Madagascar » ary ny « Fédération Nationale des Guides ».

Ny tanjona dia ny mba hisian’ny fampandrosoana mivantana eo amin’ ireo mponina ao amin’ny kaominin’i Bekopaka indrindra fa ny fanatsarana ny lafiny fizahan-tany any amin’ny Tsingin’i Bemaraha. Samy resy lahatra araka izany ireo nikaon-doha fa vonona ny handray anjara amin’izay fampandrosoana ny kaominina Bekopaka izay. Ity kaominina ity izay manana ny toerana mampiavaka azy ka tena mahasarika ireo mpizahatany anatiny sy ivelany tokoa. Fotoana izany izao hametrahana ireo rafitra rehetra hahafahana mampandroso ny kaominina any Bekopaka mba tsy ho taraiky intsony eo amin’izay lafiny fampandrosoana amin’ny fotodrafitrasa sy ny lalana izay. Io fananana toerana mahasarika mpizahatany anatiny sy ivelany io no hanararaotana ny hisian’ny tamberin’andraikitra, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Bekopaka, Miandrizoky Franklin.

Vous aimerez aussi