Fito kilaometatra eo ho eo tsy hidirana an’i Toliary no misy ny kaominin’ny Betsinjaka. Akaikin’ny seranampiaramanidin’i Toliary i Betsinjaka. Azo ambara ho vavahady fidirana an’i Toliary izy, araka izany, ary Ambohipihaonan’ireo Olombelona maro avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara sy ireo avy Dilambato ihany koa.
Fokontany miisa efatra ambinifolo no mandrafitra azy. Manana otrikarena marolafy hahafahana mampandroso azy i Betsinjaka. Anisan’ireny ny famokarana sira, ny lafiny fizahantany noho izy misy an’Andatabo mahasarika mpizahantany maro tokoa noho ny fisian’ireo fasan-drazana mampiavaka ny faritra atsimo. Ankoatra ireo, mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana ihany koa ireo mponina ao Betsinjaka. Misongadina ao amin’ity Kaominina ity ny fisian’ny tsenan’omby.
Azo hatao tsara ny mampandroso hainagna ny Kaominin’ny Betsinjaka, saingy indrisy fa mbola miaina anatin’ny fahantrana tsy sahaza sy tsy mendrika azy ireo monina any an-toerana. Anisan’ny antony govana mahatonga izany ny tsy fisian’ny mangaraharaha efa an-taonany maro ataon’ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Kaominina any an-toerana. Maro amin’ireo tanin’ny Kaominina Betsinjaka no efa lafo, tsy mazava ny fitantanana ireo haba isan-karazany ary ireo fanampiana « Subvention » avy amin’ny fanjakana foibe. Vokany, tsy zarizary ary tsy misy mihitsy ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa ilain’ireo mponina eo amin’ny lafiny fahasalamana, fampianarana, fandriampahalemana, sns Tsy mijanona hatreo amin’ny fitantanana gaboraraka anefa ny eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’ny Betsinjaka fa tonga hatrany amin’ny fanaparam-pahefana sy ny fampihorohoroana ireo mponina any an-toerana. Miraviravy tanana ary efa malaina ny hamokatra izy ireo noho izany.
Ny fahatsapana ireo rehetra ireo no nanosika an’i Jhona Augustin Iberanandrasana, Zanaky Betsinjaka namaly ny antso vonjin’ireo mponina any an-toerana ny amin’ny fandraisana andraikitra ho amin’ny fanarenana an’i Betsinjaka sy hitondra azy amin’ny lalan’ny tena fampandrosoana handresena ny fahantrana lalina. I Jhona Augustin izay anisan’ireo tanora avara-pianarana nirotsaka hofidiana Ben’ny tanànan’ny Betsinjaka Toliary, mitondra ny laharana faharoa anatin’ny biletà tokana. Ny hametraka fampandrosoana ho lovain-jafy (ho an’ny taranaka) amin’ny alalan’ny fanorenana fotodrafitrasa mifototra amin’ny maha olona no fanamby apetrako, hoy i Jhona Augustin. Lalan-tokana ho amin’ny fanatanterahana izany ny fitantana madio sy mangaraharaha ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo tsy miankina. Manakaiky sy mitakosina amin’ny Vahoaka. Ho tandra vadin-koditra amiko izany, hoy hatrany i Johna Augustin mba hanamorana ny fanatanterahana ireo vinam-pampandrosoana sy ahafahana mahafantatra ny maharary ireo mponin’ny Betsinjaka izay efa mangetaheta fatratra fampandrosoana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo otrikarena marolafy ao aminy.
