KAOMININA BONGATSARA : Miroso amin’ireo asa fampandrosoana marolafy

« Vahoaka milamina, Bongatsara mandroso, ataoko mahita fampandrosoana ». Io no teny filamatra nofinidin’ny ben’ny tanànan’ny Bongatsara, Distrikan’Atsimondrano, faritra Analamanga, Rabenandrasana A. Marie Richard « Dadarisa ». Ahitana fokontany miisa fito ary mponina manodidina ny 30 000 izay mifototra amin’ny asa fambolena sy fiompiana ny ankamaroany ny Kaominina Bongatsara.

Eo amin’ny lafiny fananabeazana sy fampianarana hisy ny fanavaozana ireo toeram-pianarana tahaka ny EPP Bongatsara, Ambohibao aruy ny fandraisana anjara ho amin’ny fandoavana ny karaman’ireo mpampianatra Fram ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny. Hifanindran-dalana amin’izany ny fizarana « kit scolaire ».

Sambany vao hampiasa ny « bokin’omby » ny eo anivon’ny Kaominina Bongatsara. Nomarihan’ny ben’ny tanàna fa zava-dehibe ho amin’ny fampanarahan-dalana ny sehatry ny varotr’omby anatin’ny kaominina ny fampiasana azy ity.Tsy ho hadinoina ny fanampiana ireo tantsaha mpamokatra sy mpiompy amin’ny alalan’ny fanolorana fiofanana, masomboly, zezika, fitaovam-pamokarana, zanak’akoho, sns. Ho hamafisina ny fitandroana ny fandriampahalemana. Hotohizana, araka izany, ny fametrahana ireo jiro eny an-dalambe. Marihana fa fokontany miisa enina ao amin’ny Kaominina Bongatsara no efa nisitraka izany. Hiatrika fiofanana miaraka amin’ireo avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ireo « Polisy kaominaly » Ho fanamorana ny fivezivezen’ireo mponina eny an-toerana dia hisy ny asa fanaovana ho rarivato ny lalana mirefy sahabo ho roa kilometatra ao amin’ny fokontany Ambohimiadana. Hatsaraina sy hafainganina ny tolotra amin’ny fikarakarana ireo antontan-taratasy eo anivon’ny Kaominina Bongatsara. Solosaina sy imprimante vaovao miisa dimy no efa ampiasain’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna ankehitriny ho fanatanterahana izany. Hiroso tsy ho ela amin’ny fanorenana trano fivoahana ho an’ny Daholobe ihany koa ny eo anivon’ny kaominina Bongatsara ho fikajiana ny fahadiovana. Fampandrosoana feno, araka izany, no hisitrihan’ireo mponina eny Bongatsara miaraka amin’ny ben’ny Tanàna « Dadarisa » Ho tanteraka tokoa anie izany !

Vous aimerez aussi