KAOMININA MAHAIZA ANTSIRABE : Sahirana ireo tantsaha, tsy misy mpividy ny vokatra

Tsy tonga eny ifotony intsony mividy ireo vokatry ny tantsaha toy ny voatabia ireo mpandraharaha niasa nanangom-bokatra tao amin’ny kaominina Mahaiza Antsirabe, faritra Vakinankaratra, tao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Vokany, mitotongana ny vidin’ny vokatra ary maro amin’izy ireny no simba am-pitoerana fotsiny.

Ny fikatsoana sy ny halafon’ny saram-pitaterana ireo vokatra no antony tsy mamparisika loatra intsony ireo mpandraharaha mpanangom-bokatra manao ny asany, hoy ny ben’ny tanànan’i Mahaiza Antsirabe, Andriamatoa Jean Paul.

Tojo olana ny Kaominina

Tsy mijanona hatreo amin’ireo tantsaha ihany anefa ny fahavoazana ateraky ny tsy fisian’ny mpividy ireo vokatry ny tany ao amin’ity kaominina ity fa mihena toy izany ihany koa ny fidiram-bolan’ny kaominina toy ny tahan’ny fampidiran-ketra. Tojo fahasahiranana amin’ny fanodinana ny kaominina Mahaiza Antsirabe, faritra Vakinankaratra, araka izany, ireo tomponandraikim-panjakana any an-toerana.

Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ankoatra ny maha mpamokatra legioma  ny ao amin’ny kaominina Mahaiza Antsirabe, faritra Vakinankaratra dia anisan’ny manintona ireo mpandraharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany ihany koa ny any an-toerana noho izy manana vato sarobidy. Mikatso avokoa anefa izany rehetra izany ankehitriny noho ny fihibohana sy ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana manodidina izany.

Vous aimerez aussi