KAOMININA TSIAFAJAVONA : Nampisitrahan'ny orinasa STAR fotodrafitrasa maro

Ny fitokanana ny tohodrano tany Ankiheniheny izay hitondra voka-tsoa ho an’ny mponina maherin’ny 23 000 isa ao amin’ny Kaominina Tsiafajavona no hetsika notontosain’ny orinasa STAR, ny 07 novambra 2025. Nasehon’ity orinasa ity tamin’ny alalan’ireo asa natao ho an’ny fanabeazana sy ny fambolena ary ny fanehoana firaisankina amin’ny mponina araka izany fa mifameno tsara ny fivoarana ara-toekarena sy ny fampandrosoana lovain-jafy.

Hitondra fanohanana ho an’ireo mpamboly izay mampiasa tanimbary 200 hektara, ny fotodrafitrasa. Ny tohodrano any Fonenantsoa izay niasa nanomboka tamin’ny 2022 ary manondraka tanimbary 150 hektara araka izany dia tena efa amperinasa tanteraka ihany koa. Tanimbary 350 hektara izany izao no misitraka fanondrahana mahomby ary hanatsara ny famokarana ao an-toerana ireo fotodrafitrasa ireo. Hampitombo ny vokatra ny fanamboarana ny fotodrafitrasa ary hanatsara kokoa ny fidiram-bolan’ireo mponina izany. « Mahavonjy anay tantsaha ny tohodrano. Manantena izahay fa hiakatra 90% ny vokatra ho azo fa 20% fotsiny tamin’ny taona lasa », hoy ny fanazavan’ny solontenan’ireo tantsaha mpisitraka ny fotodrafitrasa. Manamafy ny toerany amin’ny maha lohalaharan’ny indostria tompon’andraikitra azy ny orinasa STAR tamin’izao fitokanana fotodrafitrasa tany amin’ny Kaominina Tsiafajavona izao.

Ankoatra izay dia manohana ny sehatry ny fanabeazana ny ankizy ihany koa ny orinasa STAR. Nisy ny fitokanana EPP miisa roa izay manaraka ny fenitra. Nampiarahana tamin’ny seza sy latabatra ary fotodrafitrasa hafa ilaina toy ny toeram-pivoahana, ny sekoly notokanana. Tany Anteza dia trano iray izay ahitana efitrano fampianarana miisa 3, seza sy latabatra miisa 75 ho an’ny mpianatra miisa 300 no naorina. Tany Ankiheniheny kosa dia trano roa izay ahitana efitrano fampianarana, seza sy latabatra miisa 100 ho an’ny mpianatra miisa 450 no natsangana. Ankizy miisa 750 eo ho eo araka izany no hisitraka fotodrafitrasa mendrika. Izy io izay hitondra mankany amin’ny hoavy tsara kokoa. Iankinan’ny hoavy ny fanabeazana.

Famaliana ireo filàna maika

Tsy ireo fotodrafitrasa ireo ihany no natolotry ny orinasa STAR ireo mponina ireo fa nisy ihany koa ny fizarana vary 1 taonina sy zava-pisotro ho azy ireo mba ho famaliana ireo filàna maika. « Ireo rehetra ireo dia vokatry ny fifampiresahana natao niaraka tamin’ny Kaominina Tsiafajavona amin’ny hoe: inona no ilain’ny mponina eto an-toerana », hoy ny Talen’ny Seraseran’ny orinasa STAR, Randriambolamanana Seheno.

“Irariana kosa ny hitohizan’ny fiaraha-miasa” hoy ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Tsiafajavona, Ratsiandavana Jean Eric. Ny hafanam-pon’ireo nahazo voka-tsoa ireo dia mampiseho fa tsy mijanona amin’ny famokarana zava-pisotro fotsiny ny orinasa STAR fa tena mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena, araka ny fanazavan voaray.

Vous aimerez aussi