Anisan’ireo mandray anjara amin’ilay “Tsenaben’ny hazandrano” na ny “Foires des produits halieutiques” andiany fahadimy izay tontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny kaoperativa Sehatra Iombonana LOharano Anovozana MAmy na ny SILOAMA. Ity kaoperativa ity izay hikambanan’ireo fikambanana mpiompy trondro miisa 180 any amin’ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy.
Misehatra amin’ny fiompiana trondro isan-karazany ny kaoperativa SILOAMA. Anisan’izany trondro “decorations” sy ny “hybrides” izay hahafahana mampitombo haingana ny fitomboan’ny trondro. Eo ihany koa ny tilapia sy ny trondro gasy. Ny trondro gasy izay tena iompanan’ny kaoperativa ny fiompiana azy noho ireo trondro ireo mety amin’ny toetany eto afovoan-tany. Izy ireo no mahatanty hatsiaka sy ny toetrandro eto afovoan-tany. Ny kaoperativa rahateo dia mampianatra sy mampiofana ireo mpikambana eo amin’izay fampitomboana haingana ny trondro sy ny isany izay.
Tsenambarotra mbola malalaka
Mizara traikefa ho an’ireo mpikambana ihany koa ny kaoperativa satria mbola tsy mahay ireo tsy misehatra amin’ity tontolon’ny fiompiana trondro ity izany. Ny tsenambarotry ny trondro izay mbola tena malakaka be raha ny amin’izao fotoana izao no resahana. Tsy ampy ny tolotra miohatra amin’ny tinady. Ny vidin’ny kilaon’ny trondro anefa mbola tena zakan’ny saram-babem-bahoaka raha miohatra amin’ireo vokatry ny fiompiana hafa. 25.000 Ar ny kilaon’izany trondro izany ao amin’ny kaoperativa SILOAMA.
Ny kaoperativa SILOAMA eny Ambatolampy Tsimahafotsy ihany no mikirakira ny fikarakarana ny sakafo omena ireo trondro ompiany hatramin’izay 15 taona nijoroany izay ka hatramin’izao. Efa nandray anjara hatrany tamin’ireo “Tsenaben’ny hazandrano” andiany efatra teo aloha ny kaoperativa SILOAMA. Ity kaoperativa amin’izao fotoana izao ity dia fikambanana no niandohany tany aloha. Hifarana ny 5 jolay 2025 ny andiany fahadimy amin’ny “Tsenaben’ny hazandrano” na ny “Foires des produits halieutiques” raha nanomboka ny 02 Jolay 2025. Ity hetsika ara-barotra eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ity dia karakarain’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny alalan’ny AMPA (Agence Malgache de Pêche et de l’Aquaculture), araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaoperativa SILOAMA, Ravalitera.
