Raha ny tantaran’ny rivodoza eto Madagasikara no zohina, dia fantatra fa nahery be tokoa ireo izay niantefa teo anelanelan’i Mahanoro, Nosy Varika, ary Manakara. Misy koa anefa ny faritra hafa izay mifanahatsahana amin’izany.
Resahina i Nosy Varika sy Ikongo, satria faritra nitondra faisana tokoa. Ny tena mahonena dia ny tranga momba ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo traboina, any Nosy Varika sy Ikongo. Mampiteny ny moana. Izany tokoa no vokatry ny fitokana-monina eo amin’ny samy distrika. Herinandro mahery izay no lasa nefa dia zara raha nisy ny tena fanampiana tonga, toa izay natao tany Mananjary sy Manakara.
Na nisy aza, dia tsy hay intsony fa dia nafatra tamin’ny kapoakan’na Madco ny vary ary amin’ny kapsily kosa ny menaka. Niarahan’ny rehetra mpijery televiziona manerana ny Nosy ireo sary nahonena, nandetika lalina tokoa ny mahaolona. Toy ny voasazy ny any Ikongo sy Nosy Varika, ary izay fiandrasana ela izay no mety nahatonga ny mponina nirohotra nandroba ny toerana nitahirizana ny vary tsinjo tao Nosy Varika, satria efa tonga tokoa ilay izy saingy asa hoe mbola niandrasana inona. Raha ny loko politikan’ny olomboafidy amin’ireny toerana ireny no nahatonga izao dia fahadisoam-pijery satria na inona na inona dia voafidim-bahoaka izy ireo.
Mahamenatra ny filalaovana ny fanampiana ny traboina amin’izao fotoana izao, satria dia voabaikon’ny politika, ary natao mba hampilentika ao an-tsain’ny mponina fa ny fitondran’i Rajoelina ihany no famonjena. Diso ny kajy. Tsy izany intsony no mitranga. Miharihary fa tsy ao ny fahaizana mitondra firenena, fa ny doka no betsaka, miaro fampanantenana vaovao nefa izay noventesina nandritra izay telo taona lasa izay dia poakaty, nampihemotra ny mpamatsy vola, ary porofon’izany ny mampikorapaka ny fitondrana mitady olona handrafitra ny “plan émergence”, hay marina fa akosobolamena sy kabary ambony vavahady. Mifangaro voraka ny dihidoha sy ny tsy fahaizana. Miharihary fa izy tenany irery no hany mitondra fa tsy marina ny hoe “voan’ny kendaroroky ny manodidina azy izy”. Tetika eo amin’ny seresara ny fampisehona fa misedra ny mafy ataon’ireo manodidina azy ny mpitondra iray, mety ho marina, na foronina, mety mandaitra mandritra ny fotoana fohy, fa tsy voatery handraitra foana.


