Isa iray no tsy misy no nandresen’ny Barean’i Madagasikara ny ekipan’i Etiopia. Teo amin’ny minitra faha-18 no nampidiran’i Rayan, tamin’ny lohany, izany baolina izany rehefa nahazo kornera ny ekipa malagasy.
Tsy nahafa-po loatra
Tsy araka ny nanampoizana azy loatra ny endri-dalao teo amin’ny ekipa malagasy satria tsy nahafa-po ny tena mpandinika baolina loatra ny zava-bitany. Indrindra moa fa teto amin’ny tanin’ny tena no nilalaovana. Saingy nionona sy nangina fotsiny moa noho ny fahazoana fandresena.
Ankoatra izany, nijery baolina tokoa ny mpijery baolina ka sondriana loatra satria tsy nisy ny fanohanana sy ny fandrisihana ny mpilalao malagasy fa samy variana nitaintana fotsiny ny rehetra. Azo tsipihina tanteraka, araka izany, fa i Rayan no tena nahazo isa.
Mijery goal
Nandeha aza ny famazivaziana fa ny lehilahy no mijery baolina fa ny vehivavy mijery… goal. Isaky ny mandray baolina tokoa manko ny mpiandry tsatobin’ny malagasy, Mélvin Adrien, na dia tsy misy fangitakitahana aza dia mahazo horaka fankasitrahana hatrany.
Voalazan’ny mpandinika tokoa manko fa dia kitran’ny miralenta iny ka maro ny vehivavy tonga nanohana teny an-toerana. Tsy dia fahita firy teo amin’ny tantaran’ny fijerena baolina teto amintsika tokoa izany.
Isa telo
Araka ny lalàna fanisana ny isa azo amin’ity fifanitsanana ho amin’ny Amboaran’i Afrika ity moa dia mahazo isa 3 avy hatrany ny ekipa mahazo fandresena. Araka izany dia efa manana izany tombon’isa izany ny Barean’i Madagasikara. Torak’izany koa i Côte d’Ivoire, izay nilalao tao amin’ny taniny ka nandresy an’i Niger tamin’ny 1-0 ihany koa.
Andrasana kosa ny ho valin-dalao hataon’ny Barea ny talata ho avy izao, izay hifanandrinany amin’i Niger mpampiantrano, ao amin’ny kianjan’i Niamey.
Marihina moa fa efa niainga nihazo izany firenena izany ny ekipa malagasy.
Veloman’i Faneva Ima
Iny lalao iny koa no nentin’ny Faneva Ima, kapiteny teo aloha, nanaovam-belona ny Barean’i Madagasikara. Araka ny efa nambarany dia hijanona tsy hilalao amin’ity ekipa ity intsony izy. « Omen-toerana indray ny tanora ! », hoy izy. Na izany aza, tsy hitsahatra hampiroborobo ny kitra malagasy, eo amin’ny lafin-javatra hafa ny tenany.
Nisy, araka izany, ny fanomezana valisoa an’ity kapiteny nitsahatra ity.
Ambiansim-pokontany
Zary lasa fahazaran’ny olona isam-pokontany ny mitotorebika amin’ny toerana iray rehefa misy ny fandresena azon’ny ekipa malagasy na ny marimarina kokoa ny Barea.
Koa na dia teto an-toerana ihany aza no nanaovana ny lalao dia nifamotoana ho azy eny an’arabe malalaka eny ny vahoakam-pokontany maneho ny hafaliany.
Hita soritra amin’ireny ny fampihavanana hataon’ny baolina kitra ny Malagasy.
Jiro tapaka
Na dia afaka niaina mivantana iny lalao iny tamin’ny fahitalavitra aza ny ankamaroan’ny Malagasy dia tsy maintsy tonga hatrany ny indroben’ny Jirama.
Nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro no tapaka ny jiron’ny Jirama, teny Soaniadanana Sabotsy Namehana sy ny manodidina. Tsy niverina izany raha tsy tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Ny tena mahagaga ny mponina dia nandeha ara-dalàna ny herinaratra ny maraina fa naharomotra ny mponina kosa ny fahavoazana nony hariva.
Maro no tena nalahelo satria sambany milalao eto amin’ny taniny ny ekipan’i Barea kanefa tsy mba afaka nisitraka izany izy.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.