KITRA MANERAN-TANY : Vondrona faha-3 no misy an’i Madagasikara

Ao ao amin’ny vondrona faha-telo (na chapeau 3) no misy an’i Madagasikara, eo amin’ny baolina kitra iadiana ny tompondaka maneran-tany, aty amin’ny faritra afrikana. Ny 21 janoary 2020 ho avy izao no hatao atsy Le Caire ny antsapaka amin’izay ekipa hifanandrina ary hanomboka ny volana marsa 2020 kosa  ny fifanitsanana eo amin’ny faritr’i Afrika, izay haharitra hatramin’ny volana oktobra.

Nozaraina vondrona 4 ireo ekipa 40 avy aty Afrika, ka ahitana ekipa 10 avy izany, araka ny filaharana voarakitra maneran-tany. Ho an’ny Barean’i Madagasikara dia laharana faha-91 isika maneran-tany ary faha-21 kosa aty Afrika.

Fahatelo

Araka izany dia ao amin’ny « chapeau  3 » no misy antsika, izay tafaraka amin’i Maoritania, Libia, Mozambika, Kenya, Repoblika Centraficaine, Zimbaboe, Nize, Namibia ary Gine.
Ireo heverina ho tena kalaza kosa no ao amin’ny « chapeau 1 ».

Marihina moa fa hanana ekipa 4 hisolontena azy i Afrika, eo amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra, izay hatao any Qatar, ny 2022 ity.

Chapeau 1 : Alzeria, Senegal, Tonizia, Maroc, Ghana, Egypta, Kamerona, Mali ary RD Kongo.
Chapeau 2 : Burkina-Faso, Afrika Atsimo, Ginea, Oganda, Cap-Vert, Gabon, Benin, Zambia, Congo, Côte d’Ivoire.
Chapeau 4 : Malawi, Angola, Togo, Soudan, Rwanda, Tanzania, Guinée Equatoriale, Etiopia, Liberia, Djibouti.

Vous aimerez aussi