KODIARAN-DROA ELEKTRIKA “YADEA MADAGASCAR” : Fahanana amin’ny herinaratra

Ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy, ny kodiaran-droa elektrika “Yadea Madagascar”, izay vokarin’ny orinasa eny Ankazomanga atsimo, no ranty notontosaina teny Ambohijatovo, ny alatsinainy 28 aprily 2025. Ity kodiaran-droa elektrika ity no novokarina mba ho fampihenana ny fampiasana solika sy ny solika mavesatra izay mandoto ny tontolo iainana.

Ny kodiaran-droa elektrika “Yadea” dia mampiasa ny angovo azo havaozina izay mandeha amin’ny herin’ny masoandro satria dia fahanana fotsiny amin’ny herinaratra 220 “Volt” na amin’ny ‘Panneaux solaires” ity kodiaran-droa elektrika ity dia efa feno ny vatoaratrany. Izy io izay hahafahana manafaka halavirana 150 km. Ar 1.500 anefa ny vidin’io herinaratra io raha kajiana. Kanefa dia efa mahaampy ity kodiaran-droa elektrika ity. Tsy ilaina lasantsy araka izany ny mampandeha ireto kodiaran-droa elektrika ireto no tsy ilaina manao ‘vidange’ ihany koa. Tombony be ho an’ireo mampiasa azy araka izany ny tsy fikarakarana be tahaka ireo kodiaran-droa hafa izay efa fahita eto amintsika indrindra fa ny fitsitsiana hahafahana mampandeha azy. Azon’ny rehetra entina avokoa ity kodiaran-droa elektrika izay efa natao ho amin’ny antonony ity satria tsy mifidy na kely na lehibe izany no mahazaka tsara ny karazan-dalana eto amintsika.

Karazana kodiaran-droa elektrika amin’ny hiaka farany ireto nampirantiana sy nampahafantarina ireto izay azo jifaina eny Ankazomanga atsimo ireto. Ny kodiaran-droa elektrika “Yadea Madagascar” izay efa miroborobo fatratra eto Madagasikara tahaka ireo fiara elektrika efa tonga maro eto amintsika amin’izao fotoana izao ihany koa. Ireo mpamorona sy mpamokatra fitaovam-pitaterana ho an’ny daholobe ireo izay efa miezaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana mba hisorohana ny fivoahan’ny setroka mandoto ny tontolo iainana. Ho fiarovana izany tontolo iainana izay efa mihasimba izany araka izany no ezahana kajiana. Tombontsoa maro no azo avy amin’ny fampiasana azy ity eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpikarakara ny hetsika kodiaran-droa elektrika “Yadea Madagascar”, Angelah.

Vous aimerez aussi