KOMITY MANERAN-TANIN’NY VEHIVAVY MPANDRAHARAHA MPITANTANA ORINASA : Nanehoana traikefa sy ny fahaiza-manao ny fihaonana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny talata 29 aprily 2025, ny telo andron’ny fihaonan’ny Komity Maneran-tanin’nyVehivavy mpandraharaha mpitantana Orinasa na ny “Comité Mondial des Femmes Chefs Entreprises”, raha ny alatsinainy 28 aprily 2025 no nanombohana izany. Ity fotoana ity izay nahafahan’ireo vehivavy ireo nifanakalo hevitra indrindra fa nifampizara fahombiazana.

Ankoatra izay dia fotoana ihany koa nahafahan’i Madagasikara naneho ny traikefa sy ny fahaiza-manaony amin’ny fampivondronana ireo vehivavy mpandraharaha mpitantana orinasa. Fihaonana ihany koa izay tena mavesa-danja satria nahafantaran’ireo mpikambana ny toe-java-misy maneran-tany mahakasika ny fitantanana orinasa izay misy fiantraikany eo amin’ny toe-karenan’ny fireneny. Na sambany aza ny teto amintsika no nandray ity hetsika ity dia fantatra fa nahavory ireo mpikambana rehetra maneran-tany izay mivondrona ao amin’ity komity ity izany. Na ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina na ireo avy any Etazonia sy Amerika Latinina sy ny avy amin’ny Kaontinanta Afrikanina na ireo avy aty amin’ny Nosin’ny Ranomasimbe Indiana dia tafahaona tamin’izao hetsika izao avokoa. Fihaonana teo amin’ny samy mpandraharaha sy ny fihaonana “B to B” ary ny kaonferansa maro samihafa no nivalamparana mandritry ny telo andro izay nifarana ny alarobia 30 aprily 2025, araka ny fanazavan’ny filohan’ny “Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar” na ny (GFEM), Razakaboana Fanja, izay tompo-marika tamin’izao hetsika izao.

Nasongadin’i Madagasikara manokana tamin’ity fihaonan’ny Komity Maneran-tanin’ny Vehivavy mpandraharaha mpitantana Orinasa ity ny mahakasika ny taolamba sy ny taozavatra ary ny nahandro malagasy. Mpiara-miasa maro no nanampy ny “GFEM” tamin’ny fikarakarana izao hetsika izao. Nanohana azy tamin’izany ny “Yas Madagascar” izay manana adidy amin’ny fitondrana anjara biriky eo amin’ ny lafiny ara-toekarena eto amin’ny Nosy. Izy ihany koa izay manolo-tanana ny tanora sy ny vehivavy eo amin’ny velon-tenan’izy ireo.

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity fihaonan’ny Komity Maneran-tanin’ny Vehivavy mpandraharaha mpitantana Orinasa ity, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny Minisitry ny Raharahambahiny, Rasata Rafaravavitafika. Tonga nanome voninahitra izany fotoam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy izany, ny Ministry ny Jono sy ny Toekarena manga, Mahatante Paubert.

Vous aimerez aussi