« KORANAN’NY ZOKIOLONA » : Valibabena ho azy ireo

Andry Niaina Rakotoarison, mpitarika ny “Helioprod”.

Hafa kely ! Sambany no nisy mpikarakara hetsika sy seho teto amintsika tsy nanadino ireo Zokiolona noho ny soa be vata tsy hay tanisaina vitan’izy ireo tamin’ny mpiara-belona sy ho an’ny firenena. Ny Sabotsy 27 may ho avy izao, hanomboka amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny Hotel Pietra Analakely, rihana faha-04 no hanatanterahan’ny “Helioprod” ny fizarana hafaliana sy haravoana ary ahafahan’ireo Zokolona manadino ireo sorisorin-tsainy amin’ny alalan’ny fampiainana indray ireo fihetseham-po maroloko eo am-pihainoana ireo kalon’ny taona 60-70-80-90 mety hipaka hatrany amin’ny taona 2000. Ireo sanganasan’ny mpanakanto vahiny sy malagasy no ho akorisan’ny Dj Ramilison Fabrice Retro eny an-toerana ary ho ravahan’ny soradihy hiangalian’ny “Ny Tehina”. Ao anatin’ny “Koranan’ny Zokiolona”.

Malalaka ny sehatra ho amin’ny fandihizana ary efa misy ihany koa ireo karazan-tsakafo. Afaka mangataka ireo hira tiany ho jifaina hakana fahafinaretana amin’ny alalany fanembonana ny lasa ireo Zokiolona hiazo ny toerana Hotel Pietra Analakely, izay nofinidin’ireo mpiakarakara manokana mba ho fanomezana haja sy voninahitra ary ho fametrahana amin’ny toerana sahaza azy ireo Zokiolona, hoy i Andry Niaina Rakotoarison, avy ao amin’ny “Helioprod”. Nohamafisin’i Rosette Rajeriarison, anisan’ireo mpiketrika ny “Koranan’ny Zokiolona” ihany koa fa mendrika tanteraka ny hiaina am-pifaliana ny andro sisa iainany ireo Zokiolona koa rariny sy hitsiny raha omena sehatra mendrika azy ireo hialany voly ho toy ny valibabena ho azy ireo. Nampanantena ireo mpikarakara fa hoentina hitety faritra ity seho miavaka loatra ity atsy aoriana kely.

Vous aimerez aussi