“LABIERAN’NY FAHALEOVAN-TENA” : Azo jifaina manerana ny Nosy mandritry ny volana roa

Mitohy hatrany ny fanomezan’ny zava-pisotro “THB”, fahafaham-po, ny mpanjifany. Manolotra vokatra vaovao eo amin’izay zava-pisotrony izay ny Labiera amin’ity volana may ity ka hatramin’ny volana jona 2025. “THB Indépendance” na ny “Labieran’ny Fahaleovan-tena” no anarana isaloran’izany ao amin’ny Star izay orinasa mpamokatra azy io.

Tanjona ny hanamarihan’ity Labiera vaovao manana tsiro sy loko matroka “ambrée” miohatra amin’ny mahazatra ity ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Vokatra natao hanomezana voninahitra manokana ny tantaram-pirenena araka izany ny “Labieran’ny Fahaleovan-tena” no ihany koa hanomezana lanja ny vokatra vita Malagasy izay natao ho an’ny Malagasy mandritry ny fotoam-pankalazana ny fetim-pirenena. Izy ity izay voafetra ho roa volana ihany no hahafahana manjifa azy manerana ny Nosy. Efa ahitana ity labiera navoakan’ny Star ity, ny eto Antananarivo, any Antsirabe sy Toamasina ary Mahajanga.

Manomboka tonga tsikelikely ihany koa ny any amin’ny tapany avaratra sy atsimon’ny Nosy na eo aza ny fahalaviran’ireo toerana roa ireo. Anaty tavoahangy 33 cl ity vokatra manokana ity izay amin’ny heriny ambony kokoa ny tahan’ny alikaola ao aminy amin’ny 6,5 isan-jato raha miloko matroka na “ambrée” kokoa izy. 5,4 isan-jato ny tahan’ny alikaola amin’ireo labiera efa nisy hatramin’izay na ny “blonde” raha 65 cl sy 33cl ny tavoahangy ahitana izany ary amin’ny kanety 5O cl ny mahazatra. Ireo zava-pisotro vokarina eto Madagasikara izay manana kalitao miavaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy mijanona ho eto an-toerana ihany. Manaporofo izany ny nandrombahan’ny marika THB indray ny medaly volamen’ny fifaninanana iraisam-pirenena “Monde sélection Bruxelles” tamin’ity taona 2025 ity. Ny marika izay efa nahazo izany medaly volamena izany hatrany nandritry ny taona maro izao.

Nanomboka ny taona 1980 no efa nandray anjara tamin’ity fifaninanana “Monde sélection Bruxelles” ity, ny marika zava-pisotro “THB” izay vokarina eto Madagasikara. Nibata ny medaly volamena hatrany ny marika hatramin’izay ka hatramin’izao. Noho ny fahaiza-manao fanta-daza maneran-tany ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena ary manome antoka ny tsy fiovan’ny kalitaon’ny vokatra no anton’ny nanolorana ny medaly volamena ny “THB”, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny marika “THB” ao amin’ny orinasa Star, Rakotonarivo Miora, ny talata lasa teo, teny Andraharo.

Vous aimerez aussi